Edito

Hihazakazaka ho aiza?


  • Alatsinainy 07 Aogositra 2023

Ny fiainana eto izao, efa tena tsy matsiro. Tsy mandeha ny rano, tapaka ny jiro. Isika mianakavy variana mihaino angano. Hitombo firy indray izao ny isam-Belirano?”,

hoy ny riman’ny mpanakanto iray tao anaty tambazotran-tseraserany tao ny faran’ny herinandro teo. Efa vitan’ny mpanara-baovao rima mihitsy, araka izany, ny fomba fiasan’izao fitondrana izao hatramin’izao fotoana hamaranany ny fe-potoam-piasany izao. Tsy ny tao anatin’izay 4 taona farany mahery izay ihany aza fa hatramin’ny taona 2009. Firifiry moa ny fampanantenana tsy nety tanteraka hatramin’izao? Nolazaina fa ho ampidinina 2500 Ariary ny litatry ny menaka. Nisy ve? 500 Ariary ny kapoakan’ny vary. Tontosa ve? Ho avy ny tramway, ny TGV, ny Flyover, ny Tanamasoandro, maro tsy voatanisa sy tsy atonona anaty gazety intsony. Mampametra-panontaniana hoe aiza daholo izany kanefa dia misy sahy milaza fa vita ny 90%n’ny veliranon’ny filohan’ny repoblika!? Mbola manana maso mijery sy mahita kosa angamba ny ankamaroan’ny malagasy fa izao vao hihazakazahana ny fametrahana ny teleferika. Samy nahatadidy ny tenin’ny tomponandraikitra isika vao tsy ela izay hoe tokony efa hisy teleferika miasa mandritry ny lalaon’ny nosy. Hihazakazahana hanaovana seho ivelany amin’ny vahiny ve izany no antony fa tsy hanamorana fianam-bahoaka? Iny koa ny ben’ny tanànan’Antananarivo nilaza fa hihazakazaka handroaka ny fako. Hifarana ny fotoam-piasana vao hoe andeha hidinika momba ny fitsinjaram-pahefana! Ny faran’ny herinandro teo koa ny praiminisitra dia hoe hidinika momba ny tsy fandriampahalemana. Moa ve izany rehetra izany tsy misy laharam-pahamehana no aty aty amin’ny fiafaran’ny fotoam-piasana daholo vao hoe andao ho dinihina? Hihazakazaka ho aiza izany sisa isika ity?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT