Edito

Hihavana amin’izay...


  • Sabotsy 17 Aogositra 2013


An-dalana ny fandrafetana ilay fifanarahana hametrahana ny fitoniana sy ny filaminana eto amintsika, na eo amin’ny tontolo politika no marimarina kokoa. Anisan’ireo teboka nodinihan’ny solontenan’ny ankolafy 4, nandritra ilay dinika karakarain’ny FFKM teny Vohipiraisaina izy io. Samy resy lahatra ny rehetra fa tsy misy fifidianana handeha araka ny tokony ho izy izany raha toa ka misamboaravoara ny tontolo politika ary mbola misy ny fifandirana tsy hay lefahana. Tsy tena hoe : fampihavanam-pirenena vita ao anatin’ny indray mipi-maso izy ity, fa kosa dingana tokony lalovana raha tiana marina ny hampitony sy hampilamina.

Tsy vao izao akory no niheverana izany hoe : “Convention de paix” izany fa efa hatrany amin’ny fihaonana tany Maputo, ary faramparany teo dia ny filohan’ny tetezamita indray no namoha azy io. Tsy dia hoe : ny fifanarahana akory no inona fa ny fampiharana azy, fa na tsara rafitra sy tsara voatra aok’izany aza ny fifanarahana kanefa mihisatra ny fampiharana azy dia tahaka ny tsy misy ihany. Tena miankina betsaka amin’ny olona manao sy mampihatra azy ny fifanarahana iray, ka raha samy manana ny fahavononana sy ny hitsim-po ny ankolafy 4, dia tsy olana ny mametraka ny fitoniana eto, ary tsy ho sarotra ny hanentana ny vondrona politika hafa hiroso amin’izany rehefa mifanaiky sy tena mifanaraka ny ankolafy 4.

Ny mpanao politika sy ny mpitondra ihany no mampilamina na mampikorontana ny vahoaka, ka izay no tsy maintsy hifanarahan’ny samy mpanao politika, tokony handini-tena sy ho tonga saina amin’izay izy ireo fotoana hihavanana sy hifandraisan-tanana amin’izay izao fa efa tena mahantra ny Malagasy. Azo antoka ny hitomboan’ny halatra sy ny asan-dahalo ary ny fandrobana isan-tsokajiny eto raha toa ka mbola hitatra, tsy misy fifidianana sy sy fampihavana ity tetezamita ity. Maro noho izany no manantena fa tena hamoaka vahaolana mahomby tokoa ny dinika tarihan’ny FFKM, satria io no hita aloha hatreto fa lalana mety, fa efa nandamoka avokoa ny natao rehetra tany aloha.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT