Edito

Hifety, dia ahoana avy eo ?


  • Alatsinainy 25 Jona 2012

Lava dia lava ny andro tsy fiasana tamin'ity volana jona ity noho ny fisian'ny fetim-pirenena.

 Nisy ireo tena tsy niasa fa mba afaka naka aina, nivoaka kely ny renivohitra, niantsena ho fanomanana ny fety rahampitso talata. Ao koa anefa ireo tsy afa-manoatra fa tsy maintsy miasa isan'andro ihany. Misy koa ireo mpiasa tena very zo tanteraka ka tsy mahalala izay andro tsy fiasana kanefa handraisan-karama izany. Samy manana ny iainany izao vanin'andro fety izao ny tsirairay avy sy ny isan-tokantrano, ary samy manana ny fomba hiatrehany ny fety ihany koa. 26 jona fahefatra, tao anatin'ny tetezamita ny amin'ity 2012 ity, kely sisa dia hitovy tamin'ny fotoam-piasana filoham-pirenena voafidim-bahoaka i Andry Rajoelina, raha ny faharetan'ny fotoana nitantanany ny tetezamita no jerena.

Misy isan-taona ny arendrina sy ny afomanga ary ny matso eny Mahamasina, mety mba manao laoka matsiro koa ny isan-tokantrano mandritra ny fety, satria izay no nahazatra, izay no fomba. Raha ny tena marina anefa dia efa tena mihena be mihitsy ny isan'ny Malagasy afaka mihinana vorona sy henankisoa isaky ny Asaramanitra izany. Kely ny vola miditra ka tsy mahatakatra zavatra tsara sy matsiro intsony. Nisy ireo mba te hanala azy kely teny amin'ny fampisehoana tsy nandoavam-bola, kanefa dia tsatok'antsy no azo teny fa tsy fifaliana. Na mifety aza ramalagasy dia mbola sendra ny taolana ihany. Ny ankamaroan'ny olona dia mikaikaika amin'ny krizy ary leon'ny sangodim-panina politika misy eto ? Efa mba maro ihany mantsy izay fihaonana sy fivoriana izay fa nitsefotra avokoa. Iza no mpanelanelana tsy nandalo teto, fa tsy ahitam-bahaolana hatramin’izao ny krizy. Fety be ny anio sy ny rahampitso, fa asa kosa izay zavatra hitranga indray amin'ny alarobia. Hiverina zero indray ve ny raharaha sa mba efa misy zava-baovao mahavelom-panantenana ny malagasy amin'izay e ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

Hijery ny tohiny
FTT