Edito

Hifanjevo eto indray e !


  • Zoma 24 Novambra 2017

Mihazakazaka ny ora sy ny fotoana ary mihazakazaka ihany koa ny raharaham-pirenena satria miha manantona hatrany ny taona 2018 hanantanterahana ny fifidianana.


 Manjavozavo hatrany aloha ny zava-drehetra hoe handeha amin’ny antsakany sy andavany ve izay fifidianana andrasan’ny rehetra izay ? Io ve no tena mahamaika sa kosa ny fanaovana fitsipi-dalao mazava mba hisorohana ny loza amin’atambo ? Raha ny tantara niseho hatramin’izay no zohiana, dia korontana hatrany no novantanin’ny Malagasy taorian’ny fifidianana satria tsy nisy ny tena arofanina niraisan’ny rehetra. Toa minia mampandry adrisa fotsiny ny fanjakana ankehitriny fa tsy hihemotra ny fifidianana. Tsy sahy miteny mivantana momba ny tena datim-pifidianana, fa dia ny mandrisika hatrany ny hoe efa voafaritry ny lalàm-panorenena izany. Mangataka fifampidinihana hahafaha-mametraka marimaritra iraisana sy ny fitsipi-dalao mazava ireo vondron-kery isan-tsokajiny ivelan’ny fitondrana, saingy toa tsy vonon-kiraharaha izany aloha ny HVM. Ny CENI io efa mitaky fahaleovantena sy mangataka ny hamoahana mazava ny datim-pifidianana io, fa dia ny henoy izany ny hazon-damosiko no setriny. Toa zavatra kimaizimaizina sy feno kajy maloto hatrany no ketrehana matoa tsy misy ny zavatra mangarahara hampahafantarina vahoaka. Tsy efa mazava ve izany, fa dia ho avy ny kopisoroka hoe izay tian’ny HVM ihany io? Izany ve tsy efa midika ho famafazana korontana sahady eto Madagasikara? Ny hafa ihany koa anefa efa manomana bala hitifrana, fa tsy sanatria bado sy malemy araka ny fahitan’ny HVM azy, ka dia hifanjevo eto indray raha izao no mitohy e!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT