Hifandimby

any am-ponja foana ve ? Vaovao nafana indray


  • Alarobia 02 Septambra 2026

misongadina ny fanamelohana

ara-pitsarana an’ilay Jeneraly malaza tamin’ny fitondrana teo aloha, dia ny Jeneraly misotro ronono Ravalomanana Richard, izay nanana ny lazany sy ny tantarany nanomboka ny taona 2009. Tsy resaka fankahalana olona sanatrian’ny vava, na fijery entina hanaovana tsindrio fa lavo, na koa ivoizana fifamaliana faty politika lava eto. Na izany aza, lesona politika lehibe azo tsoahina dia ny hoe : mila mahay mamindra amin’ny politika, amin’ny fitantanana, amin’ny fiteny, amin’ny firenena,… fa tsy hay izay haloaky ny ampitso. Ekena fa mety manana ny volany sy ny harenany ireny ny mpitondra sy mpanao politika, mety tsy mampihontsona azy ny sesin-tany sy ny figadrana,… kanefa izany ve no hianteherana sy hatao lasitra ? Efa betsaka izay nandeha izay, efa maro izay lesona azo tsoahina izay,… ka mba tokony ny tsara amin’izay no ifaninanana sy ifandovana eto. Mba ampy kosa angamba izay ny fianteherana amin’ny basy, ny vava tsy ampy toa maneso ny fahoriam-bahoaka, ny fiheverena vitavita ho azy eny ny tsy nety natao,… Mbola vao iray iny fa betsaka ny mbola hanaraka, fa ny irariana dia ny hoe : ho tapitra eto ilay fifandimbiasana any am-ponja, hipetraka ny tena fanavaozana, ka mba tena ny soa iombonana no iarahana mijery. Faniriana sy hetaheta ihany anefa ny an’ny Malagasy tsivakivolo ary tsy mora ny manova. Tsy afaka hiandry hoe rahoviana indray anefa, fa raha tsy vita sy tsy voalamina amin’izao vanim-potoana miavaka lalovantsika izao izany dia asa izay mbola mety ho fitsimbadihana sy fipoahana krizy hafa mety ho zava-doza eto. Enga anie ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT