Edito

Hifanao iray sy iray amin’izay…


  • Alarobia 28 Novambra 2018

Hiakinan’ny ho avin’ny firenena ny didin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana,

 izay efa naman’ny mazava ny firosoana amin’ny fihodinana faharoa, raha dinihina amin’ny lafin-javatra maro mifandraika amin’ny fifidianana. Any amin’izay tohiny izay izany izao no tokony hifantohan’ny saina fa tsy ho lany andro hitanisa lesoka sy olana eto, fa ny zava-dehibe dia ny fakana lesona tamin’ny zava-nisy teo aloha, na ho an’ny lafiny fikarakarana na ho an’ny mpifaninana. Efa manomboka mazava ny lalana hizoran’ny firenena, fa ilay filoha naongana tamin’ny 2009 izany izao no hifanandrina iray sy iray ara-pifidianana amin’ilay nanongana azy, ary ny iray amin’ireo no ho filoha, raha tsy misy ny fiovan-javatra. Hotsarain’ny karatra eto amin’izay ny an-daniny sy ny an-kilany fa ny hirariana dia tena ho fifidianana madio sy mangarahara no hiseho. Novoizina teto mantsy ny hoe: efa naloam-bahoaka e ! Tsy ilain’ny Malagasy intsony e ! Tsy arakakarak’izay anefa ny vokatra satria raha nihevitra ny hahazo fandresena mora foana noho ny volabe nafafy ny sasany, dia naneno sahona ny vokatra ary niezaka nanao don-tandroka nilaza ho mpandresy amin’ny fihodinana voalohany. Inona izany izao no hambara sy ho fanadiovan-tena tamin’ny vavabe nilazana fa tsy tokony ho iny navoakan’ny CENI iny no vokatra azo raha toa ka tsy hifanalavitra ny an’ny CENI sy ny HCC ? Hotondroina ho mpangala-bato daholo izany rehefa tsy mifanaraka amin’ny eritreritra ny vokatra ?  Sa kosa rehefa tsy nanaiky ny mety ho don-tandroka dia tandrohana sy hilana vaniny satria efa zatra ny amboletra toy ny tany amin’ny sivy taona lasa. Tena aim-pirenena ity, ka ny vahoaka no tompon-tsafidy ary mila manokatra hatrany ny sainy sy ny masom-panahiny. Mila mitodika amin’ny tantara isika fa tsy ho sodokan’ny fampanofinofisana sy ny ronono an-tavy na tapi-maso, toy ny fizarazaran-javatra mandalo ihany. Efa tahaka izao ihany no natao teto izay fandonana ny Malagasy tapany handoa erany. Toa misy dadabenoely miforona tampoka izany mantsy amin’izao satria may ny endim-boanjo mba ho lasa filoha. Firy taona teo amin’ny fahefana tsy hita izay nafitsoka. Fotoana izao hahatongavan’ny rehetra saina e !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT