Edito

Hifampitari-bato vilam-bava !


  • Alatsinainy 02 Septambra 2019

Tsy ny eo amin’ny samy olona sy foto-kevitra ihany ankehitriny no hita ho misy fifanoherana fa na eo amin’ny tenenin’ny vava sy ny ataon’ny tanana koa aza dia ahatsikaretana izany eo amin’ireo mpanapa-kevitra politika eto amin’ny firenena.

 

 

 Toa mahatsikaiky ny mandre ny filoha lefitry ny CENI milaza fa tsy tokony hiandry ny ora farany ireo kandida ho ben’ny tanàna raha niresaka ny fanombohan’ny fandraisana ireo dosie mikasika ny filatsahan-kofidian’izy ireo. Etsy an-kilany, heverina kosa angamba fa tsy anisan’ireo tonga aloha loatra akory fa tonga voalohany fotsiny tamin’ny rehetra nanatittra ny dosieny ny kandida iray eto Antananarivo Renivohitra izay nikolay mafy mihitsy manoloana ny tsy fahavononan’ny fitondram-panjakana amin’ny fikarakarana fifidianana. Iza anefa moa no tompon’andraikitra voalohany mikasika ny fifidianana eto amin’ny firenena ? Samy mahalala ny lazan’izany ny olompirenena rehetra mahara-baovao. Ankoatra izay, iaraha-mahalala koa etsy an-daniny ny fiakaram-bidin’ireo entana ilaina andavanandro izay nilokalokan’ny fitondrana ankehitriny fa fanavotana entiny ho an’ity nosy ity ny fifehezana izany miaraka amin’ny tsy fandriampahalemana. Ireo vina nandrasana aza anefa mandrak’ankehitriny mbola andrasana ny fiatombohany. Dia hifampitari-bato vilam-bava eto foana.

J. Mirija   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT