Edito

Hifampihatsaravelatsihy foana ve e !


  • Alarobia 24 Aogositra 2016

Hatramin’ny mpanakanto mandalo miserana eto an-tanindrazana aza izao dia mahita fa fifampihatsaram-belatsihy no tena iainana eto amin’izao fotoana.


 Samy mifampiolakolaka eo dia very an-javony daholo ny ketrika rehetra. Iza moa amin’izao fotoana izao no tsy resy lahatra fa efa tsy madio intsony ny lalao politika eto an-tanindrazana ? Iza no mbola sahy mino fa na inona na inona zavatra ataon’ireo mpanao politika sy ny mpitondra dia ao an-tsainy lalandava ity nosy Madagasikara ity na koa hoe ho an’ny tombotsoan’ny tanindrazana tokoa ny hetsika rehetra ataon’izy ireo ? Ny zava-misy aloha hatreto, 60 taona mahery izay dia lasa zary teny filamatra tsy voahozongozona ny hoe “Hafa ny nolazain’ny vava ary hafa ny atao”. Mbola mitombina daholo ireo tononkira nantenaina ho lasa tantara fahiny, toy ny hoe “rahoviana no hitranga, asa angamba atsy ho atsy no ho tonga Bemolanga, isika tsy ho lany vatsy” sy ilay hoe “ny sakafonao no ferany”. Ny mahafehy ny zava-misy dia mbola sakafo ambany foitra sy tapa-kibo hatrany no entin’ny ankamaroan’ny valalabemandry matory.

Mirija   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT