Edito

Hifampidera taim-by


  • Alatsinainy 08 Oktobra 2018

Raikitra ity ny propagandy efa nandrasan’ny maro, ka hanakoako manerana ny tanàna ny fampielezan-kevitra. Samy niomana ny kandida tsirairay avy amin’io, ary samy manana ny paikadiny.

 

Tsikaritra ho tsy dia mitovy kosa ny hoenti-manana amin’izany fa dia hiaraha-mitazana eo ny fihetsiky ny tsirairay sy ny tanjany amin’izany satria dia hifampidera taim-by sy hanetsika izay eo am-pelantanany na ara-bola na ara-pitaovana e! Hitombo isa ny dadabenoely ary somary lasa aloha ny fety tamin’ity satria tsy maintsy hirarakopana ny fizaran-javatra etsy sy eroa, eny fa na dia ireny fanamiana na ny “t-shirt” ireny ihany aza, hoy ny vazivazy. Ny hirariana fotsiny aloha, dia mba tsy ho jamban’ny seho ivelany sy ny teny fampanantenana fotsiny Ramalagasy, fa tena handinika amin’ny saina lalina amin’izay mba tsy ho vidiana lafo anatin’ny 5 taona indray ilay iray andro ao anaty trano fisainana e! Raha atao indray mijery, ohatra, amin’izao fotoana izao, dia tsikaritra ho miazakazaka mafy mbola hiverina amin’ny sezany ireo efa nitondra ny firenena satria mamy io, ary mangidy izany ho very fihinana sy efa very fihinana izany. Tsaroana ery ny tsy nahatamana ilay olona nanongam-panjakana rehefa tsy nahita rirany teto, fa nokaikerin’ny amboakely tiany. Dodona sy maika ery fa mba te ho lany ara-demokratika, raha toa tsy nahandry ny andro zoma 9 taona lasa izay, ary ireny no nafitsony hoe potika sy rotika mandrak’androany ny firenena. Ny mpandrava efa ankehitriny dia isan’ny milaza azy ho mpanorina  sy mpanangana, ka ny tahaka izany no mila tandremana sy mila fahatongavan-tsaina. Mila mijery tsara hoe: iza no nahavita fa nopotehina? Iza no mbola hahavita? Iza kosa no mpamotika sy mpanao kobaka am-bava? Iza no nivarotra ny harem-pirenena? Any amin’ny fomba fiaina sy ny fomba fihariana io, dia efa somary hita soritra mazava hoe iza no nangoron-karena tamin’ny fomba maloto ary iza no nandeha tamin’ny fahintsiana, raha ireo filoha efa teo no jerena sy halaina ho ohatra e!

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT