Edito

Hifamosavy ?


  • Talata 25 Aprily 2017

Samy miaro ny rambony tsy ho tapaka ny samy HVM manoloana ilay raharaha kolikoly goavana nahasaringotra ilay ramatoa, izay noroahin’ny fanjakana Maorisianina nody aty Madagasikara fa tsy navela hialokaloka tany intsony.

Raha ny fanirian’ny mpitondra ankehitriny, zarany aza tavela tany ilay ramatoa amin’izay tsy mivoaka sy mangina tanteraka any ny resaka. Tsy afaka ny hiray tsikombakomba amin’ny mpanao kolikoly avy aty Madagasikara mihitsy anefa i Maorisy. Niaraha-nahita fa tsy nisy na tompon’andraiki-panjakana iray aza nilaza tamin’ny fomba ofisialy ny hiverenany eto Madagasikara. Efa tonga izy vao samy may volon-tratra ny HVM. Samy mitandrin-tena fatratra kosa anefa ankehitriny, ary tsy misy sahy miteny firy. Tsy toy ny tamin’ny fotoana nisamborana azy ny fihetsika ankehitriny. Inona no niseho no toa nivadika fahanginana ilay vava tsy ambina isan-karazany nataon’ny mpikambana HVM, toy ny nataon’ny filohany tany Toamasina sy ny nataon’ilay loholona mpitarika mpikarama an’ady ? Tsy nahomby ve ny fampanginana ny raharaha tamin’ny alalan’ny fiarovana azy, ka any amin’ny fomba rehetra tsy hivoahan’ny marina indray no tanjona manaraka ? Ka tsy hifamosavy mianakavy ao ve no hiafarana rehefa samy hiaro ny rambony tsy ho tapaka ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT