Hifamitaka lava eto

Tsy lavitra ny ohatra fa dia iny hita omaly


  • Talata 12 Martsa 2024

iny moa izany fa mbola miteraka adihevitra be ihany ity resaka taom-baovao malagasy ity.

Hatramin’ny mpandinika fiarahamonina sy mpanao politika aza niaiky fa toa tsy hampiray izany mihitsy io raha mbola revy kibay an-kelika lava eto, hoy ny fitenin’ny tanora izay. Tokony hisaorana ve ny minisitera tandrify raha namaritra tam-pahibemaso azy iny omaly hoe «taom-baovaon’ny merina»? Ny heno nanakoako tetsy Mahamasina tokoa aloha dia saika hirahira mahakasika an’Analamanga sy Imerina daholo saingy ireo nankalaza nirentirenty rehetra moa dia saika nanonontonona ny hoe «tratry ny taom-baovao malagasy» ny ankamaroany. Tsaroana tokoa anefa fa nifanaraka ny mpikarakara andaniny sy ankilany fa iny omaly iny no antsoina hoe taom-baovao fararano na taom-baovaon’ny merina ary ilay iray atao hoe taom-baovao lohataona. Dia toy ny fiainam-pirenena ihany, hifamitaka lava eto izany. Hafa no hifanarahana. Hafa no ataon’ny mpifanaraka. Efa hatrany amin’ny fifanarahana momba ny «ravin-dalana» na «feuille de route» tamin’ny tetezamita io no hita. Inona no tena tanjona? Ho disoina sy ho potehina ve ny tantara ka ny toerana nankalazana ny fandroana no nametrahana «colisée» ary ireo fety isam-paritra fahizay toy ny fandroana, fandroana an-driaka, fitampoho sy ny tariny ihany koa no bangoina tokana amin’ny hoe taom-baovao malagasy? Tokony ho gaga ve isika raha mamerina hatrany ny fahadisoana teo amin’ny tantara raha toa ka izany sy ireny hirahira nalaza tato ho ato ireny hatrany no lanjan-tsaina ho ajanona amin’ireo tanora 18 taona no miakatra isam-banim-potoana? Tsaroana hatrany ny fehezantenin’ny mpandinika vahiny Noam Chomsky izay raha nilaza fa «Ny firenena iray tsy naka lesona tamin’ny tantarany dia voahozona hiaina izany indray.». Heverina fa ohatra velona manamarina izany indrindra ity «Madagasikara tsy mety mandroso» sy tsy mety tafavoaka anaty fahantrana lalina hatramin’izao ity ka asa hoe mbola hifamitaka lava eto ihany ve?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT