Edito

Hifamelona sy hifamono?


  • Alatsinainy 23 Martsa 2020

Mandalo fotoan-tsarotra ny firenena. Tena mbola tsy nisy angamba ny toy izao, raha ny endriny no jerena. Sedra iraisana amin’izao tontolo izao anefa io amin’ny lafiny iray.

 

Samy miady, samy miaro ny fireneny, samy miaro ny vahoaka ao anatiny. Ekena fa tena nisy tokoa ny tsirambina ka nidiran’io aretina io teto, saingy tsy fotoanan’ny fifanomezan-tsiny intsony tokoa izao. Mipetraka ny lamina sy ny fepetra, izay tena mafy sy mangidy amin’ny maro, saingy tsy maintsy iainana. Ny tanjona dia ny hoe: tsy hiara-maty eto isika, fa samy mipetraka ho tompon’andraikitra tsy hiparitahan’ny valan’aretina. Midika izany fa mifampitsintso sy mifamelona satria ny fitandreman’ny isam-batan’olona, dia tsy ny tenany ihany no tsinjoviny fa ny rehetra manodidina azy. Indrisy anefa, fa raha ny zava-niseho vao nandre ny fahatafidiran’ny aretina, dia nifandrombaka toa samy manavotra ny ainy, niharihary ny fitiavan-tena, ny fanararaotana,… Tsapa izany tamin’ny fifarombahana ny entana ilaina amin’ny andavanandro. Mba ho aiza ireo tsy mba afaka ny mividy betsaka? Ny ady amin’ny coronavirus mety ho vitantsika tsy ho ela ihany, fa ny ady amin’ny fitiavantenantsika mbola ho ela. Toa sarotra amintsika ny hiray fo, hifampitsinjo, mba hijery ny hafa fa ny tenantsika aloha. Mila miezaka ihany koa ny fanjakana amin’ny serasera sy ny fampitoniana vahoaka. Mba olona tena eken’ny olona teny sy azony antoka, ary tsy vao mainka hanome fahasorenana azy. Tena sarotra mantsy ny toe-draharaha, manomboka romodromotra ny olona,… Ny hisavorovoroan-kilantoana anefa, ka ny hirariana dia hivoaka tsy ho ela ao anatin’izao sedra izao isika.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT