Edito

Hifamelona sa hifamono ?


  • Sabotsy 28 Janoary 2017

Samy mamely izay voany ! Izany no azo hamintinana ny fiarahamonina eto amintsika amin’izao fotoana izao.

Aiza ve ka ao anaty fahasahiranana sy fahantrana mandifotr’olona toy izao no mbola miseho ihany ny fananararaotana isan-karazany noho ny fitiavam-bola sy fitiavan-karena diso tafahoatra. Ankoatra ny tsy nisian’ny orana izay mampitotongana ny famokarana dia misy manafina ny tahirim-bary, ka midangana be ny vidiny. Izao ihany koa dia milaza ny hampiakatra saran-dalana ny mpitatitra. Tsy natao hanenjehana na hanomezan-tsiny be fahatany ireo antokon’olona misehatra amin’izany fa misy zavatra tsy ara-drariny ao. Na inona na inona anefa fanazavana, dia tsy mbola maty antoka izy ireo fa fitia te hanararaotra no betsaka.  Efa mafana ra ny rehetra saingy mbola minia manindry fo. Raha izao anefa no misy pitik’afo kely dia ho raikitra eto indray ny ady, ka tantara ratsy no hiseho.  Ao anaty fahasahiranana isika, ka mba tokony hojerena ihany izany fa tsy faly ny hitsentsitra sy hanararaotra ny efa fahasahiranan’ny sarambabem-bahoaka ankehitriny. Hifamelona isika fa tsy hifamono, ka tokony hatao toy ny tery omby andro ririnina, ka hatao izay tsy hahafaty ny zanany sy ny tsy hahabotry ny reniny.

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT