Edito

Hifamela sa hifandako ?


  • Talata 20 Desambra 2016

Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fety tanteraka isika izao. Mitaky fitoniana politika izany ary ilaina ny hanadinoana ny romoromo.

Na ara-pinoana na ara-pianakaviana, eny hatramin’ny ara-politika mihitsy aza dia ny faran’ny taona toy izao no fotoana tsara indrindra hisian’ny fifamelan-keloka eo amin’ny olona na vondron’olona manana olana ara-pifandraisana, ka hamintranana ny fihavanana ahafaha-miatrika fiainam-baovao tsy misy romoromo amin’ny fiandohan’ny taona vaovao. Ny antsika kosa toa mifamadika tanteraka amin’izay ny zava-misy. Efa tonitony ihany ny toe-draharaham-pirenena na dia misy ihany aza ny raharaha politika mafampana. Toa fakana bahana amin’ny ady mangotraka atsy ho atsy ny antsika no ao ambadiky ny fitoniana. Ny mpitondra efa maka bahana amin’ny fifidianana ho avy, ka manomana ny kajy maloto rehetra hitazonana ny seza, toy ny fanilihana ireo mpifaninana. Raha fampihavanam-pirenena no resahina dia ady tsy hifankahitana aloha no ao ambadik’io satria mifono hevi-petsy hatreto. Mbola mifamono an-kolaka aloha ka ao ny mbola mihevitra ny hitroatra amin’ny tsindrin’ny milaza azy ho mahery, ka mitady vahaolana manoloana ny henjikenjika sy fanagadrana mahazo azy. Ny mpanjakazaka sy mihevi-tena tsy ho tratry ny aloka mbola mirehareha fatratra ka manao fahirano izay sendra azy. Ny tsy tia romoromoro kosa miasa mangina sy miketrika miadana, ka any amin’ny fifandraisana sy fanomezana asa ny mpiara-belona no tena iadivany mafy, mba hanamafisana ny fihavanana amin’ny maro an’isa.

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT