Edito

Hifamela heloka ?


  • Sabotsy 08 Oktobra 2016

Mifamahofaho ny toe-draharaha politika eto amintsika taorian’ny fihaonan’ny ankolafin-kery politika nandritra fampihantsoana sy fivoriana notarihin’ny Vondrona Iraisam-pirenena teny Ankorondrano afak’omaly.


 Mbola tsy nisy nipika ny resaka fa ny hita dia tafahoana teny an-toerana ireo ankolafy tsy dia mitovy hevitra toa an’Atoa Marc Ravalomanana sy ireo olona nanongana azy tamin’ny taona 2009. Ny azo eritreretina aloha dia tsy maintsy voaresaka tamin’ny lahadinika ny raharaham-pirenena. Tsy hay kosa izay mety ho fivadihan’ny resaka ka hisian’ny fiombonana ara-politika eo amin’ireo vondrona nifanipa-kevitra teo aloha ireo.  Ambeti-tenin’Atoa Marc Ravalomanana rahateo ny filazana fa tsy manana fahavalo afa-tsy ny fahatrana izy ka azo heverina tsara ary ve ny  hisian’ny fifamelana eo aminy sy ireo nanao ratsy azy ? Mbola tsy hay anefa izay ho tohin’ny tantara fa tombatombana avokoa ny an’ny rehetra. Ny tsikaritra dia tora-kovitra ny fanjakana ankehitriny izay efa tena tratry tambabe politika ka matahotra mafy ny toerany. Toa manamarina izany ny fanalana sy fanendrena olona ambony teo anivon’ny mpitandro filaminana tamin’ity herinandro ity, izay izy ireo sisa hany hery ianteherana mpitondra.

Toky R.

 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT