Edito

Hiazakazaka sa handeha lavitra ?


  • Talata 20 Oktobra 2020

Raha tiana ny hiazakazaka dia aleo mandeha irery, hoy ny olo-malaza iray izay. Raha tiana kosa ny andeha lavitra dia ilaina ny miara-dalana.

 Malaza ho masinina haingam-pandeha moa ny filoham-pirenena ankehitriny fony izy mbola nilana teo amin’ny sehatry ny fandraharahana sy nilatsaka ho ben’ny tanana. Reharehany mihitsy aza moa tamin’ireny fotoana ireny ny maha Andry TGV azy. Vetivety toa dia vitany niaraka tamin’ny ekipany ny nanangana foto-drafitrasa iray. Notohizany fony izy tafakatra teo amin’ny fitondrana tetezamita io fomba fiasa io ary namirapiratra be ho an’ireo maso mijery ireo foto-drafitrasa vita tao anatin’ireny fotoana ireny. Hopitaly manara-penitra, Coliseum, kianja manara-penitra sy ny maro hafa saingy eo no mampametraka amin’izay ilay fanontaniana hoe nitondra antsika nankaiza anefa ireny rehetra ireny? Tsy nahalala an-davan’andro sy alahady, hono, ny filoham-pirenena tao anatin’ireny ahamehana ireny saingy ny vokatr’izay anefa izao manao ahoana? Efa milamina tokoa ve ny toekarena sy sosialim-bahoaka sa izy ireo mbola tapena-maso amin’ny vatsy tsinjo sy tosika fameno mbola tsy mahavita taona foana? Volana vitsivitsy sisa dia ho feno 2 taona no nitantanan’izao fitondrana izao saingy mbola tsy hainy, hoy ilay mpanao politika iray izay, ny mampitombo ny ao am-paosin’ny vahoakany. Fahanana fampanantenana isan’andro ny vahoaka kanefa ny eo tsy tontosa hatramin’ny farany. Hiazakazahana ny fitetezam-paritra saingy miazakazaka ho firenena farany mahantra isika, hoy ny mpahay lalana mpanohitra izay. Hihazakazaka ho amin’ny sehoseho tokoa ve no maha maika sa handeha lavitra amin’ny fampandrosoam-pirenena ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT