Edito

Hiasa sa mbola hitsapatsapa ?


  • Zoma 09 Janoary 2015

Hatreto aloha dia tsy tara amin’ny fanitsiana izay tsy mety amin’ny fomba fiasa sy fitantanana ny firenena ny fitondrana. Mbola niana-draharaha ity fitondrana voalohany amin’ny repoblika fahefatra ity ka lany andro tamin’ny sangodim-panina politika sy ny tsapatsapa isan-karazany tao anatin’ny herintaona.

Tonga kosa anefa izao ny fotoana tsy maintsy handraisana fanapahan-kevitra matotra fa tsy sanatria mbola hanandrana sy hitsapatsapa indray no atao amin’ity 2015 ity. Ny hita fotsiny aloha hatreto dia vaky tanteraka ny ady eo amin’ny Mapar sy ny fitondrana Rajaonarimampianina, efa mahoraka be ihany koa ilay fanovana governemanta, mety hosoloina ny praiminisitra ary re fa toa hoe maromaro ihany ireo minisitra ho very seza. Raha soloina anefa ilay praiminisitra dia ahoana indray ny momba ilay andininy faha-54 ao amin’ny lalàmpanorenana milaza fa ny vondrona politika maro an’isa eny amin’ny antenimieram-pirenena no manolotra ny anaran’ny praiminisitra hotendren’ny filoham-pirenena. Iza izao no tena maro an’isa eny Tsimbazaza ? Sa ve averina indray ny fananganana governemantan’ny firaisam-pirenena tahaka ny tamin’ny andron’ingahy Omer Beriziky, izany hoe fepetra manokana no raisina. Ho hita anio izay tena marina, raha tsy hoe hanao be lazao fotsiny indray ingahy filoha !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT