Edito

Hiandry rombo vao ho taitra a !


  • Zoma 02 Jona 2023

Mihazakazaka ny fotoana, miha hatomotra ny fotoana hanaovana fifidianana raha ho voatazona amin’ilay vinana tetiandro natolotry ny vaomieram-pifidianana,…

Misandrahaka ihany koa ny adihevitra sy adivarotra politika. Ny mpitondra miziriziry fa tsy misy ilàna fifampidinihana na fanovana lalàna intsony izao fa aleo handeha amin’io. Izao tokoa ny endrika ara-drafitra sy ara-pitsarana ary ara-pitantanana heveriny fa hahazoany tombondahiny ho azy ka nahoana tokoa moa izy no tsy hiady ny hitazonana izany? Voizina fa efa kely fotoana, tsy hanovana lalàm-pifidianana izany intsony, efa io no eo ary tsy ny mpitondra ankehitriny no nanao azy, hoy ny volomboasary sy ankohonany, rehefa avy niziriziry sy nanentsi-tadiny rehefa nandeha ny antso avo maro. Fa vao izao angaha teto no nisy fanavaozana lalàna rehefa nolazaina fa lany andro na tsy ampy ny teo aloha? Moa tsy vao avy nanova ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany ny antenimiera? Moa tsy vao avy novaina ny lalàna momba ny fampiasam-bola? Ny finiavana no mety tsy misy, fa raha tena vonona hametraka lalao madio tokoa tsy tokony ho olana mihitsy ny fanitsiana raha ilaina, saingy lalaovina amin’ny resaka fotoana moa izany. Etsy andaniny, anjaran’ny hafa mety mieritreritra fa ho voa any amin’ny politika avo lenta miainga amin’ireo rafitra isan-tsokajiny na lalàna tsy mahafa-po no miady fanitsiana raha hitany tokoa fa tsy hisy herijika ho azy fa mitanila. Rehefa zohiana anefa, toa samy miady sisika ihany ny ankamaroany hoe: alefaso ny fifidianana na mandeha aza ny dinika sy fifampiresahana ery antsafatsefany amin’ny fametrahana fitsipi-pitondran-tena sy fifanekena fa hifanaja hanao lalao madio ary hanaiky izay vokatra eo. Tena ho azo antoka 100% ve fa hanaiky izay nosoniavina ny rehetra rehefa tonga tokoa ny tokoa. Efa betsaka anie izay nosoratana sy nosoniavina izay, raha tsy hilaza fotsiny afatsy ny lalàmpanorenana ny tondrozotra tamin’ny 2009 sy ny maro hafa. Angaha moa vao izao ihany koa vao nisy an’izany fitsipika ifampitondrana izany fa moa nohajaina ve ? Iray ihany no tsy maintsy handresy na efa samy efa misora-tena ho mpandresy sahady aza ny sasany ka inona ny mety hisorohana ny rombo? Hiandry rombo vao ho taitra sa izay mihitsy no tanjona? Efa mandeha ny fifandroritana ara-politika fa ny fiainam-bahoaka etsy andaniny mikoroso fahana toa tsy mba misy mpahita, fa dia samy manana ny manahirana azy e!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT