Edito

Hiala nenina


  • Alakamisy 15 Aprily 2010


Tontosa ihany ny famindram-pahefana teo amin’ny jeneraly isany, Rakotonandrasana Noel, minisitry ny fiarovam-pirenena teo aloha, sy ny Camille Vital, praiminisitra izay manomboka eto dia hampivady ny asan’ny lehiben’ny governemantan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita sy ny asan’ny minisitry ny fiarovam-pirenena. Naharitra ora enina vao tanteraka izany omaly tao amin’ny Lapan’i Mahazoarivo. Nisy ny fifandresen-dahatra, natao ny ala nenina vao nirosoana ny famindram-pahefana. Fa inona marina no tao ? Raha ny fanambarana nataon’ny jeneraly Rakotonandrasana Noel ny ampitson’ny nanesorana azy tamin’ny toerany mantsy dia ho sarotra inoana ihany fa hilefitra ka hiova hevitra tampoka teo izy. Etsy an-danin’izany, efa-bolana lasa izay, dia nilaza ampahibemaso i Andry Rajoelina, filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita raha nandray ny didy hitsivolana 2009-012 tamin’ny 18 desambra 2009, fa tapaka tanteraka ny fiarahan’ny ankolafy efatra ary tsy azo eritreretina intsony ny hampiharana ny satan’i Maputo. Ankehitriny anefa i Andry Rajoelina dia milaza indray fa miaiky ny tsy fahombiazany amin’ny fampiharana ny satan’i Maputo ny fianakaviambe iraisam-pirenena ka dia hiala nenina farany ny tenany, ka raha mbola misy ny miziriziry dia handray fanapahan-kevitra ny tenany fa tsy azo avela amin’izao ny firenena ary mba tsy ho lasa takalon’ainan’ny politika ny vahoaka malagasy. Etsy an-kilany koa anefa ireo mpanao fihetsiketsehana ankalamanjana dia milaza ny hiala nenina, handresy lahatra an’i Andry Rajoelina, hiverina an-databatra boribory hifampidinika amin’ny fampiharana ny satan’i Maputo, fa io no vahaolana hamaranana izao krizy izao. Valalanina ny vahoaka, mbola hiala nenina ve izy manoloana izany ? 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT