Edito

Hiady sa hiandry ?


  • Alakamisy 06 Aprily 2017

Lasa ny saina aman’eritreritra rehefa mandre ny tsy fetezan-javatra sy tsy fahombiazan’ny fitondrana ankehitriny izay toa maha mailaka ireo mitonona ho tsy mankato ny zava-misy ankehitriny intsony ny mitanisa azy.


 Anisan’izany, ohatra, ny hoe famarotana amin’ny vahiny sy famotehana an-kolaka ireo kaompania ana habakabaka, toy ny Air Mad sy Adema. Ao ihany koa ny tsy mbola nahavoatendry masoivoho hiasa any ivelany na dia iray aza tao anatin’ny 3 taona, ny kolikoly sy fitsaram-bahoaka mirongatra, ny tsy fanajana ny lalàmpanorenana sy ny zon’olombelona. Izany rehetra izany, hoy ireo mpandinika, no isan’ny mbola tsy hahazoantsika famatsiam-bola, toy ilay 10,6 tapitrisa dolara nampanantenaina tany Parisy tamin’ny desambra 2016. Tsy hita ho miady amin’ny fahantrana fa miady amin’ny mahantra ny mpitondra ankehitriny, hoy ny mpanao politika iray nilaza ny heviny omaly izay, raha mijery ny tsy fandraisan’andraikiny. Fa ny olom-pirenena kosa, vonona handray ny andraikiny hiady amin’ny fahantrana amin’izay tokoa ve sa mbola hiandry mesia toy ny mahazatra hatrany na dia miha mafy aza ny… ady ?

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT