Edito

Hiadana sy ho finaritra


  • Talata 20 Novambra 2018

Ela no naniriana ity firenena malalantsika ity hiadana sy ho finaritra. Heverina fa tsy misy manda ny hahatanteraka izany. Raha hanontaniana ireo mpisehatra politika rehetra ny fanirian’izy ireo dia azo antoka avy hatrany fa eny no valiny.

 

 Toy izany ihany koa raha hanontaniana hoe mbola maniry ny hiverenan’ny korontana sy ra mandriaka eto amin’ny firenena ve ianao dia azo antoka avy hatrany fa tsia no ho valiny. Niaraha-nahita anefa ny korontana nolalovan’ity firenena ity nanomboka ny taona 1972 ka hatramin’izao. Izay sahy nandà fa saribakolim-bazaha ny ankamaroan’izay mpitondra teto amin’ny firenena dia azo sokajiana ho minia mikipy na faratampony amin’ireo mpisolelaka manam-pahefana. Sarotra ihany koa ny handa fa tsy mahaleotena isika ary hifandrotehan’ny firenena maro ny harem-pirenena eto Madagasikara. Maro moa ireo filazana fa hatramin’ireo fifidianana tato ho ato natrehina teto amin’ny firenena aza dia efa nisehoan’izay tsy fahaleovantenantsika izay hatrany. Nivaly iny ny vokatra vonjimaika avy eo anivon’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana. Samy manana ny nandraisany izany ny rehetra. Tao ireo nilaza fa tsy tokony hoekena izany. Tao kosa ireo nilaza fa aleo ekena ihany. Ny nanamarina avy hatrany kosa anefa fa nadio nangarahara ary tsy tokony holavina iny voka-pifidianana iny dia inoana fa tsy nisy. Tsy takona afenina ireo tsy fahatomombanana niseho saingy anjaran’ireo tomponandraikitra tandrify no tokony hanantanteraka ny fanadihadiana. Maro ireo fanapahan-kevitra mety horaisina. Na tsy azo ihodivirana aza ny famerenana ny fifidianana dia ho fotoana lany fotsiny ny fifidianana efa vita teo fa hanatontosa vaovao indray. Mety ho fanapahan-kevitra hitranga koa anefa ny hoe aleo ny fihodinana faharoa no hatrehana sy hanarenana ny lesoka rehetra. Ny atahorana dia hiziriziry hatramin’ny farany tsy hanaiky ireo fanapahan-kevitra roa ireo ny iray amin’ireo kandida hasaina hiatrika fihodinana faharoa ary dia hizizo fa efa tompondaka tamin’iny fihodinana voalohany iny. Enga anie mba ho samy ho mora alamina daholo amin’izay ny rehetra ka hiadana sy ho finaritra, he sambatra tokoa isika.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT