Edito

Hevitra sa seho ivelany ?


  • Talata 07 Mey 2019

Tonga indray ny fotoana natokana ho an’ny fampielezan-kevitr’ireo te ho depiote vaovao ho ao Tsimbazaza ao.

 

Tamin’ny ankapobeny dia saika nisantatra izany tamin’ny fotoam-pivavahana avokoa ny ankamaroan’ireo kandida manerana ny nosy. Nisy koa aza ny sasany vao nitokana ny ivontoerana hiasany sy ny ekipany hampandaniana azy ireo. Ho hita eo manomboka eto ireo kandida tia manolotolotra, mpanao kobaka am-bava. Hanao lalàna no asa miandry kanefa hanao lalana no hampanantenainy ireo vahoaka sarihiny hifidy azy. Manana iray volana latsaka kely ny rehetra ahafahana mandinika sy mieritreritra. Tena hihaino fampielezan-kevitra ve sa ho sodokan’ny seho ivelany izay matetika mamitaka jerena ary mbola mahatonga ity firenena ity hilona anaty fahantrana toy izao foana ? Tsy lamaody intsony angamba ny fiteny hoe rehefa tsy ho avotra amin’izao i Madagasikara dia tsy ho avotra intsony kanefa raha izay zava-nitranga nahasolafaka sy naha jambena antsika Malagasy ho nalaza tia vao izay dia heverina fa fahadisoana ny tsy fialana nenina manoloana ny loza manoloana rehetra. Roa ihany no safidy tena mifanandrina. Hevitra sa seho ivelany ? Iza amin’ireo kandida no tena manan-kevitra ary iza no tia sehoseho sy efa mamita-bahoaka sahady ? Ilaina hatrany ihany koa angamba ny mampahatsiahy fa fifidianana solombavambahoaka ilay hotontosaina fa tsy zavatra hafa akory. Fifidianana mpanao lalàna sy mpanara-maso ny fahefana mpanatanteraka toy ny filoham-pirenena sy ny governemanta izany. Mila mailo, araka izany, ny olom-pirenena mba tsy hofitahana tahaka ny tany aloha rehetra tany indray. Misy ireo mampanantena fotodrafitrasa rehefa rahatrizay izy lany saingy ny zavatra hita hatramin’izao aloha dia nataon’ireo mpanao lalàna efa teo ho fanakonana ny andraikitra nampandraiketan’ny vahoaka azy nefa tsy tontosany ny fanatanterahana ireny ampahana fotodrafitrasa ireny. Izay ilay hoe seho ivelany sy tapi-maso efa fantantsika saingy adinodino rehefa revon’ny kobaka tsara lahatra sy ny fahantrana isika. Inoana sy antenaina kosa angamba fa efa be ny nahafay sy ny lesona azo tsoahana tao anatin’izay 58 taona nanomezana fahaleovantena izay. Samia ary mandinika ny tenany. Hevitra sa seho ivelany ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT