Tsy misy ny olona hitovy hevitra 100% izany, eny fa na dia mpiray tampo iray ray iray reny izao aza. Tsikaritra isan’andro eny anivon’ny fiarahamonina eny ny fifanoherana na fifandirana noho io tsy fitovian-kevitra azo raisina ho tsy fitovian’ny fomba fijery io.
Hita any anatin’ny fanaovana politika koa io, foto-kevitra indray no resaka eto. Tena ilaina ny fisian’ny hevitra maro samy hafa, ilaina ihany koa ny fanaovana tomban’ezaka ny asa natao sy ny fisian’ny fanakianana saingy ny eto amintsika dia hafa mihitsy satria :maro ny malagasy no matsilo saina, manampahaizana, manana hevitra hita fa tena tsara. Izay rehetra mandaha-teny toa henjana daholo, isika rahateo moa miaina amin’ny kolontsain’ny kabary efa hatry ny ela. Jerena anefa toa miha mahantra isan’andro ihany ramalagasy, repoblika 4 tao anatin’ny 55 taona, misy isam-pokontany milaza azy fa mpanao politika, maniry ohatry ny anana ny antoko, fikambanana vondron’olona fa dia izao mahantra izao ihany ny firenena. Ny vazaha ve no fetsy loatra sa isika no miesona ? Sa ilay toetsaina miara-miasa sy miara-mientana hanatratra tanjona iombonana mihitsy no tsy mbola voafehin’ny malagasy ? Raha mbola hisy indray ny fihaonambe na fikaonan-doha na fakan-kevitra, tsy aleo ve aloha io fomba fisaina sy fomba fijery io mihitsy no amboarina izay vao miresaka zavatra hafa e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.