Edito

Hevitra fa tsy olona


  • Zoma 14 Oktobra 2011

53 taona lasa izay, izany hoe ny 14 oktobra 1958 no teraka ny Repoblika voalohany teto Madagasikara. Taorian'ny 96 taona nanjanahan'i Frantsa antsika dia nitsoka ny rivotry ny fahafahana.

 Niha nahery vaika ny tolona koa dia niroso tamin'ny fifampiresahana ny roa tonta, ary tapaka ny hevitra fa homena fahaleovantena amin'izay i Madagasikara. Lanonana goavana teny Mahamasina no nanambarana ny fahaterahan'izay Repoblika voalohany izay. Tonga teto mihitsy ny filoha Frantsay tamin'izany fotoana, ny jeneraly Charles De Gaulle. Hafaliana tsy omby tratra ny an-dRamalagasy tamin'izany fotoana satria foana teo ny hetra isan-dahy, ny asa an-terivozona, ny fampijaliana amin'ny endriny maro samihafa, ny fanondranana any ivelany ny vokatry ny tany sy ny harena voajanahary. Vontom-pinoana ny rehetra tamin'ny 1958 fa hilamina sy hihatsara kokoa ny fiainana ary handry fehizay ao anatin'ny fihavanana sy ny fifankatiavana i Madagasikara. Ny 26 jona 1960 avy eo no nambara tamin'ny fomba ofisialy fa mahaleotena i Madagasikara. Filoham-pirenena voalohany tamin'izany Atoa Philbert Tsiranana, nosalorana ny anarana hoe Rain'ny fahaleovantena ary nananganana tsangambato etsy Antaninarenina mihitsy moa taty aoriana. Ara-tantara, ny taona 1789, izany hoe 222 taona lasa izay no nitranga ny revolisionina goavana tany Frantsa, nampalaza ny «Place de la Bastille», nanoheran'ny vahoaka ny fitondran'Andriamanjaka ka nananganana ny Repoblika voalohany. Amin'izao 2011 izao dia ao anatin'ny Repoblika fahadimy ny any Frantsa, an-dalana ho any amin'ny Repoblika faha-efatra kosa i Madagasikara.

Mazava avy hatrany ny resaka teto fa nisy Repoblika vaovao isaky ny 10 taona teto Madagasikara, izany hoe lalàmpanorenana vaovao sy filoham-pirenena vaovao isaky ny 10 taona, raha atao ny salanisa. Fa nahoana no matetika miova tahaka izany ny fomba fitantanana eto ? Rehefa vakiana sy dinihana tsara anefa ireo lalàmpanorenana rehetra nifandimby teto dia tokony hilamina ny tany sy ny fanjakana ary handroso tsara ny toekarena. Maro be koa ireo Malagasy manampahaizana tao anaty fitantanan-draharaham-panjakana hatramin'izay ka hatramin'izao. Tsy mbola  tafavoaka ihany anefa ny firenena fa tavela anaty krizy. Azo tsoahana avy amin'izany fa tsy ny fanovana ny lalàmpanorenana na ny rafi-pitondrana no mampandroso na mampihemotra fa ny fahaizan'ny mpitondra mampihatra azy arakaraka ny filan'ny firenena sy ny vahoaka ary mifanaraka amin'ny zava-misy maneran-tany.

Tsikaritra anefa fa tsy mety mahay mandray lesona ny mpitondra sy mpanao politika. Tsangan'olona foana no nofidiana sy notoaviana teto fa tsy tsangan-kevitra, hoy ny mpahay tantara. Izay no mampikatso ny raharaha eto ary mahasarotra ny famahana ny krizy. Lasa lamaody ilay fananganana Repoblika ka samy te hanana ny azy ny mpanao politika. Raha tsy miova io fomba fisainana hafahafa io dia mety eto Madagasikara, any aoriana any, no ahitana izany hoe Repoblika faha-50. Ny hevitra no mampihodina izao tontolo izao, hoy ny filôzôfa iray. Olona manan-kevitra sy mahay manatanteraka izany miara-miasa amin'ny hafa no ilaina hitondra an'ity Madagasikara ity fa tsy olona misora-tena ho «Mesia» mpanavotra kanefa fankahalana sy fialonana no nanosika azy handrombaka fahefana, ka nony tonga eo vao mieritreritra izay hatao. Andramana daholo izao rehetra izao, nefa iaraha-mahita ny vokany.



RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT