Edito

Heverina ho dondrona foana ve ?


  • Zoma 19 Aogositra 2016

Feo fandre matetika eny am-bavan’ny mpanao politika tato ho ato ny hoe mijaly ny vahoaka, mahantra ny vahoaka.

Tsy tsapany sa mody hodiany tsy hita fa izy ireo ihany anie no fototr’izany rehetra izany e ! Raha tena misy ny fitsinjovana sy fijerena ny lafiny sosialy, tsy ho toy izao ny fari-piainan’ny Malagasy. Ny ankabeazan’ireo mpiteny an’izany dia efa nitondra ny firenena avokoa saingy tsy nisy napoaka, hoy ny tanora. Ankehitriny, mila ho isan’andro no ahitana mpanao politika miteny amin’ny haino aman-jery ny  voambolana  “vahoaka”. Malama vava ery ny ankabeazany amin’ny famendrofendroana satria ilainy ny vahoaka hanosika azy amin’ny tanjona tiany hotratrarina dia ny fahazoana na ny fiarovana seza. Rahoviana ihany ireto mpanao politika Malagasy andevozim-pahefana sy seza ireto vao ho tonga saina ka tsy hihevitra ny Malagasy ho dondrona intsony e ? Ny manahirana ny vahoaka izao dia ny hanin-kohanina fa tsy misy misaina izao resa-politika drindrangilo izao. Ny ankamaroan’ny mpitondra sy ny mpanohitra mantsy dia iarahan’ny rehetra mahita fa samy tsy misaina afa-tsy ny hameno paosy ka aleony mipetraka sy mangina. Izany matetika no mahatonga ny hetsika an-dalambe tsy dia mahasarika olona intsony.

                                                                                                       Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT