Edito

Hetahetan’iza ?


  • Alatsinainy 22 Mey 2017

Hetahetan’iza no natao horaisina sy hohenoina eto amin’ity firenena ity ? Ny an’ireo vahoaka ventesina efa ho isan’andro fa tompon’ny fahefana tokoa ve sa ny an’ireo mpitondra ?


Ny an’ny teratany izay tatatataina lava izao fa manana ny fiandrianany ny firenena izay misy azy ireo sa ny an’ireo vahiny izay manao bodongerona eto ? Ampahany amin’ireo fanontaniana tsara hapetraka ireo mikasika ny fakàna tany ataona manampahefana sy mihevitra azy ireo. Iza no mpitondra teto sahy nihaino vahoaka ka nampiato ny fotodrafitrasa nofinofisiny tao anatin’ny efa-taona ? Nisy andian’olona nidina an-dalambe nilaza ho tsy nankasitraka ny zava-misy. Heverina ho lesona azo tsoahina amin’izay efa nisy tany aloha kosa anefa ny nataon’ny fiadidian’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra ny sabotsy teo izay nandrava ireo fefy nampimenomenona ny olona tetsy Mahamasina sy Amparibe fa nanao laharam-pahamehana ny fifampidinihina ho amin’ny anio. Soa fianatra, hoy ny fitenenana !

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT