Edito

Herintaona sisa !


  • Alakamisy 08 Septambra 2022

Mandeha ny fotoana, ny 07 septambra 2023 izany hoe: afaka herintaona katroka raha raisina amin’ny datin’ny omaly no hametra-pialana ny Filoham-pirenena ankehitriny Andry Rajoelina,

raha mieritreritra ny mbola hirotsaka hofidiana indray. Raha ny voafaritry ny lalàna ankehitriny mantsy, mila miala 60 andro mialohan’ny latsa-bato ny Filoha am-perinasa, raha mbola hirotsaka. Ny 07 novambra 2018 ny fifidianana fihodinana faharoa tamin’izany, ary ny 08 janoary 2019 no nambara ofisialy ny vokatra, ka tokony ho efa manana filoha vao lany indray isika izany ny janoary 2024. Raha ho an’ny eo amin’ny seza sy fahefana, efa kely dia kely izany herintaona izany, eny fa na ho an’ny olom-pirenena aza raha toa ka izay 4 taona latsaka izay aza vita ny nihafy azy. Tsy fotoanan’ny velirano sy ny fampanantenana intsony izao, fa efa naman’ny fotoana handrefesana ny zava-bita, saingy zava-miseho ankehitriny moa toa ny mifanohitra tanteraka amin’izay. Aty amin’ny herintaona tsy handaozana ny seza vao hamoaka ilay drafitra hoenti-manatanteraka ny politikam-pampandrosoana PEM (Plan Emergence Madagascar) ka inona intsony no antenaina amin’izany? Izany ve tsy efa drafitry ny propagandy manaraka? Ny rehetra no afaka mandrefy sy mitsara ny fahombiazana sy ny tsy fahombiazan’ilay Fanjakana am-perin’asa, fa raha izy tenany fady aminy izany hihaiky ny lesoka, hanaiky ny fahadisoana,… Raha izay fanjakana tan-dalàna sy firenana tsara tantana, ary fiainam-bahoaka milamina sy mandroso izany mbola lavitry ny kitay ny afo. Mampanahy anefa ny ho avy satria izao dia efa miharihary ny hetraketraka sy ny don-tandroka politika. Efa hita taratra ny ho fibodoam-pahefana amin’ny fomba rehetra. Fony mbola tsy tonga teo amin’ny fahefana aza moa efa ireny ny sary niseho hoe: nivonona tamin’ny ady sy ny herisetra mainka fa amin’izao? Terena ny rehetra hanaiky fa izao no mety, efa misy ny ezaka, tsy vita vetivety ny fampandrosoana,… kanefa ny paosy sy ny sakaosin’izy mianakavy no mibontsina andro aman’alina amin’ny kolikoly, halatra, trafika,… fa ny vahoaka miha malemy sy mitoreo andro aman’alina. Dia mihevitra ve fa mbola handaitra ny ronono an-tavy hanaovana tohatra fiakarana ny vahoaka kanefa taingim-bozona sy fambotriana firenena no setriny avy eo? Mbola manantena ve fa handaitra ny don-tandroka samihafa? Anjaran’ny rehetra no misaintsaina satria tsy misy lehibe tahaka ny vatolampy ihany koa moa io, fa rehefa tsy miteny dia hangerezan’ny vorona!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT