Edito

Herinandron’ny fanapahan-kevitra


  • Alatsinainy 15 Novambra 2021

Maro ny zava-niseho nandritry ny herinandro lasa teo ary isan’ny nisongadina namarana izany ny teo amin’ny tontolo politika.

 Toy izay efa nitranga tao anatin’ny fitondrana Rajaonarimampianina izay nifandonan’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, tamin’ireo ekipan’ny volomboasary izay nanongana azy ihany dia nampiseho ampahibemaso fampihavanana politika tamin’ireo mpifanandrina politika hafa taminy tamin’izany fotoana koa ity filohan’ny rodoben’ny mpanohitra ity. Sarotra moa ny hamaritra avy hatrany hoe fampihavanana tena izy tokoa ireny raha ny petra-kevitra niandohana na ilay antsoina hoe “concept” momba izany fihavanana sy fampihavanana izany no iverenana. Efa nazavaina teto io hoe “fifampitondrana tahaka ny havana” no dikan’izany fihavanana izany ary anton’ny fifanakalozan-dra eo amin’ny olona tsy misy ra iraisana amin’izay mba samy hevitra ny andaniny sy ny ankilany fa efa lasa mpihavana noho ny ra iraisana. Izay no hevi-dalin’ny atao hoe fihavanana hatramin’ny fotoana niaingany faha vazimba saingy ny tantara moa tsy maintsy mitohy ary mamboly odidina na hoe “contexte” vaovao hatrany arakaraky ny fihavaozan’ny vanim-potoana ihany koa. Lasa tahatahaka ireny indray izany no endrikendriky ny atao hoe fampihavanana ankehitriny. Heverina fa efa zava-dehibe izany saingy ny nahagaga dia mbola nisy nanadredraka ihany, indrindra moa, fa ireo mitonona ho mpiaradia amin’ny fitondrana ankehitriny. Ao ireo milaza ny voambolana efa faheno mahazatra toy ny hoe “fihatsarana ivelantsihy ireny” na koa hoe “tsy tamim-pahantsorana” sy ny hoe “mahay mihavana ny mpanao politika rehefa tsy misy tombontsoa hiadiana” sy ny maro hafa. Aleo ihany ve izany hifamaly faty ara-politika eto dia hifandoro fananana sy hifanagadra lava mihitsy na hifandoro tanety dia ho sazian’ny natiora toy izao mitranga ankehitriny izao n any vahoaka madinika avy eo no mijinja ny fihetsika “olon-dehibe tsy misaina” asehonao izay mbola tsy nitondra ankoatran’ny fampahatrana firenena aloha hatramin’izao? Heverina fa herinandron’ny fanapahan-kevitra maika hitsaboana izany rehetra izany tsy ho tara loatra ity herinandro manaraka diavintsika ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT