Edito

Herinandron’ny fanantenana


  • Alatsinainy 09 Aogositra 2010


Herinandron’ny fanantenana indray amin’ny famahana ny krizy politika ity herinandro ity, satria hikaon-doha ary hamoaka fehin-kevitra hanohizana ny lalan’ny tetezamita ireo ankolafy mifanandrina. Taorian’ny fihaonana nataon’ireo vondrona antoko politika 55 teny Ambohidahy dia nanaiky ny hifampiresaka amin’izy ireo ihany ny filohan’ny FAT ka raikitra fa hisy ny adihevitra amin’ity herinandro ity, ary hisy fifanarahana vita sonia mialoha ny alakamisy izao. Tsy mbola mora anefa ny raharaha satria samy manana ny fomba fijeriny ny fanohizana ny lalana ny roa tonta. Etsy ankilany, ny avy eo amin’ny sehatra ifanakalozan’ny mpanao politika mitaky ny hametrahana ny tetezamita Bis, andaniny kosa manizingizina ny hanohizany ny zavatra efa natombony ny fitondrana tetezamita tsy asiam-panovana tarihan’i Andry Rajoelina. Mbola nifampitsapa hery fotsiny aloha, raha ny fahitana ny roa tonta tamin’ilay fihaonana teny Iavoloha ny zoma tolakandro teo. Ary taorian’izay dia samy nandrafitra ny paikadiny tsirairay avy ny rehetra mba hoenti-miatrika ny dinika amin’ity herinandro ity.

Tsy misy mahalala ny ampitso moa, fa raha ny fandinihana azy fotsiny dia vondrona roa lehibe no miady varotra indray amin’izao fotoana, dia ny mpanao politika amin’ny ankapobeny sy ny fitondrana tetezamita miaraka amin’ireo antoko vitsivitsy manohana azy. Raha atao ny vinavina dia azo antoka fa tsy haharesy dohika ireo mpanao politika efa zatr’ady i Andry Rajoelina sy ireo mpanara-dia azy izay vao miana-draharaha. Izany hoe mety ny hevitr’ireo mitaky ny hanovana endrika ny tetezamita no hivoaka ho mpandresy ary heken’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Ny olana amin’izay anefa dia efa nampitandrina ny filohan’ny FAT fa tsy azo ekena, ary raisina ho toy ny fanembantsembanana ny tetezamita izany fananganana rafitra vaovao izany. Dia sanatria ve ho raikitra indray ny fanenjehana sy fanagadrana aorian’ny alakamisy, raha toa ka tsy hita ny marimaritra iraisana ? Matoa anefa nanaiky ny hifampiresaka ny FAT dia mahatsapa fa tsy ampy hery hitarika hatramin’ny farany ny tetezamita, ary matahotra ny fitsipahan’ny sehatra iraisam-pirenena azy. Maro no manantena, ary manana fanantenana matanjaka lavitra noho ny finoana mihitsy ny amin’ny hipoiran’ny vahaolana amin’izay, izay tsy maintsy miainga avy any amin’ny samy mpanao politika.

Tsy vitsy koa anefa no sahiran-tsaina ary manahy fa mety hitranga eto Madagasikara ihany ny fifandrafiana sy ny ady an-trano mampalaza ratsy an’i Afrika ;satria tahaka izao fifandrirarirana sy sangodim-panina izao mihitsy no niatombohan’ny gidragidra nahafatesan’olona ana hetsiny tatsy Afrika.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT