Hanankarem-baovao ity herinandro ity, raha ny fanambarana sy ny zava-nitranga ny faran’ny herinandro teo no dinihana.
Mitana ny sain’ny mpanara-baovao indray aloha izao ny fiverenan’Atoa Marc Ravalomanana izay nanamafy tamin’ny sabotsy fa na misy NOTAM aza dia ho avy tsy ho ela eto Madagasikara ny tenany ary vonona hiatrika izay zava-drehetra mitranga. Ny Maître Hanitra Razafimanantsoa mpisolovava azy sady filoha lefitry ny CST dia efa nilaza fa manana 7 andro hampodiana an’i Dada ny zanany rehetra. Ny minisitra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana mandrangaranga fa hiala raha tsy voahaja an-tsakany sy an-davany ny tondrozotra. Ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita Mamy Rakotoarivelo efa nanantitrantitra ny zoma lasa teo fa mila ampiharina ny andininy rehetra ao anatin’io tondrozotra io ary tena hanara-maso akaiky izany ny CT.
Efa miha ratsy endrika eo imason’ny olona hatrany ny fitondrana tetezamita satria manomboka miakatra tsimoramora indray ny vidin’entana eny an-tsena, tahaka ny vary sy ny menaka ary ny siramamy. Mirongatra ny asan-jiolahy. Ny delestazin’ny Jirama manimba fitaovana isan’andro. Hita fa tena manaikitra mafy ny krizy, manify ny vola hiatrehan’ny isan-tokantrano ny krismasy sy ny fetin’ny faran’ny taona. Tsy maintsy mitahiry kely ihany mantsy satria tsy hay mihitsy izay mety hitranga indray amin’io 2012 io. Manoloana izany anefa dia mbola midehaka ihany ny fanjakana hividy fiaramanidina roa mialoha ny aprily 2012. Ilay “Air Force one II” nimatimatesana fa hamidy tamin’ny 2009, feno kalalao fotsiny eny Ivato, dia fiaramanidina hafa indray no hamoahana vola. Tsy adino ao anatin’izany rehetra izany ny disadisa tsy mety voavaha eo amin’ny polisy sy ny mpitsara.
Maro amin’ireo mpanara-baovao politika no mahita fa tonga ny fotoana hiverenan’ingahy Ravalomanana amin’izay mba hitondrany rivo-baovao amin’ny tontolo politika, satria efa tena mankaleo ny ataon’i Andry Rajoelina sy ny ekipany tsy mahalala afa-tsy ny bodongerona, nantenaina hitondra fanantenana vaovao ny amiraly Ratsiraka, kanefa toa nanakorontana ny mason-daomy fotsiny dia lasa any Frantsa indray aloha. Ireo mpikaramanady politika maro be, efa nahazo seza koa tsy dia re feo tahaka ny teo aloha intsony fa dia nangina. Eto amintsika koa ny iraka manokan’ny SADC tarihan’i Marius Fransman, mihaona amin’ireo vondona politika, hanara-maso ny fanatanterahana ny tondrozotra ary efa hampidi-dresaka amin’izay ny amin’ny hananganana ny CENI. Ho hita ny ho tohiny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.