Edito

Herim-panatanterahana


  • Sabotsy 07 Jolay 2018

Vina izao ! Tetikasa izao ! Tolo-kevitra sy vahaolana hamahana ny krizy izao ! Fivondronana hanao hetsika sy tolona etsy sy eroa manginy fotsiny saingy olana hatrany ny eo amin’ny lafiny fanatanterahana.


Vahaolana mamono afo hatrany no hampiharina matetika. Nandeha tsimoramora teo aloha teo ny tolo-kevitra ny amin’ny tokony hanaovana fiaraha-mitantana avy amina ankolafy maromaro saingy fitsipahana no nialoha izany. 2 taona aty aoriana anefa, nidiran’ireo nanda teo aloha izany ary ireo nanolo-kevitra indray no nitsipaka azy. Tao koa ireo nilaza fa tokony ho vaindohan-draharaha ny fifidianana. Volana vitsivitsy mialoha anefa dia ireo indray no nivadi-dela fa aleo fanorenana na fanarenana ifotony aloha. Valin-teny hafa koa ny hoe na mody hoe tokony hisy fifidianana lalàmpanorenana aloha. Lojika raha mihazohazo hatramin’izao ny fanatanterahana izay tena tokony hatao satria samy fanina daholo na ny « fahefana mpanatanteraka » na ireo vahoaka izay mbola tadiavin’izy ireo ihany hatao kilalao. Fanontaniana saro-baliana anisan’ny tsapa tetsy Mahamasina omaly ny hoe inona no herim-panatanterahana ahafahana mahazo antoka fa ho tafitan’ireo hery velona rehetra mivoy izany resaka izany ny fanorenana ifotony tena izy ? Tena tanjona tokoa ve io fanorenana ifotony io sa zavatra hafa no tena kinendry amin’ny fivoizana azy ? Sao dia lalana hametrahana tetezamita vaovao hizarana seza tokoa na tahotra iatrehana fifidianana satria tsy mamim-bahoaka intsony ny kandida tohanany na naniraka azy ireo ? Ny tsy azo lavina aloha dia samy mampisavorovoro vahoaka avokoa na ny an-daniny na ny an-kilany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT