Edito

Herim-pamotehana an’i Gasikara


  • Alakamisy 25 Janoary 2018

Hery vaovao ho an’i Madagasikara ! Io no teny faneva nentin’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina nirotsaka hofidiana filoham-pirenena tany amin’ny taona 2013. Feno 4 taona katroka anio ny nitondrany an’i Madagasikara, ka ny rehetra no afaka hamaly hoe: hery vaovao tokoa sa herim-pamotehana an’i Madagasikara?

Ho azy sy ny mpanara-dia azy, dia manga ny lanitra tao anatin’izay fotoana izay. Ho an’ny vahoaka Malagasy kosa dia fay sy tofoka tanteraka ary tsy te hiherika azy satria ilay filoha noheverina, fa hanala ny firenena tao anatin’ny lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana nateraky ny krizy lalina vokatry ny fanonganam-panjakana no vao mainka nampitombo avo 10 heny ny fery sy ratsy nataon’ireo nodimbiasany. Ara-bakiteny tokoa ny hoe tarana-boanjo foto-boanemba satria taranaky ny mpanongam-panjakana tamin’izany ihany no nandimby azy na nifanilika sy nifanjevo aza taty aoriana. Ilay noheverin’ny Malagasy ho rotsak’orana hanamando ny voly, izany hoe hanavotra azy ao anaty gejan’ny fahasahiranana no zary hain-tany nikaoka ny tany satria vao mainka nihombo ny fahorian-dRamalagasy. Mandranitra, migafy, mamoritra, mamotika,… izay no laharam-pahamehana, indrindra amin’izao ankatoky ny fandaozana ny fahefana izao.  Toa zary fahavalon’izao tontolo izao satria ny Malagasy efa tofoka sy leo. Ny vahiny efa mively kanonta ankolaka, saingy mbola manantena fatratra moa, fa hahomby ny famoretana sy ketrika maizina tadiavina hatao eto. Efa andron’ny fahazavana sy ny fifohazam-panahy ho an’ny Malagasy izao, ka hatao veloma tsy ho ela ny herim-pamotehana an’i Madagasikara.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT