Herim-bahoaka…

Mafana ary mahazo vahana ny tolom-bahoaka hoenti-manafaka an’i Madagasikara


  • Zoma 03 Novambra 2023

eo ambany vahoan’ny mpanani-bohitra. Mety misy ny tarazo navelan’ny mpanjanan-tany,

fa endrika fanjanahan-tany sy fanjanahan-tsaina izay entina mangeja hatrany ny Firenena Malagasy no hijoroana ankehitriny. Tolona tsy maintsy tratrarina ny famerenana ny tany tan-dalàna, satria efa tena ny Fanjakan’i Baroa no tiana hampanjakaina eto, ary ireny efa ambaran’ny mpitari-tolona hoe : tsy maintsy hesorina ny fitondrana jiolahim-boto. Henjana ihany ny fanasokajian’ny mpampianatra mpikaroka raha nilaza fa «mpisoloky fahefana » ireo izay mbola manapatra ny rambondrambom-pahefana miezaka manapatra araka izay maha diavolan’ny sainy eto amin’ny firenena, tsy mijery ny tena tombotsoam-bahoaka fa baikon’ny tetika ara-politika. Io iaraha-mahita io, fa tsy misy tahotra sy henatra intsony ny fandikan-dalàna, miharihary ny fandrangarangana hery sy ny setrasetra, tsy takona hafenina ny fiziriziriana noho ny fianteherana amin’ny herin’ny vola, efa mampiteny ny moana ny politikan’ny fanabadoana ka vidiana amin’ny zavatra tsy dia manao ahoana ny olona mba hahazoana vato,… Ny famafazana tahotra sy horohoro mba hahatonga ny olona hitolefika sy hanaiky lembenana moa manginy fotsiny. Dia tena mieritreritra ve fa hahomby sy handaitra hatrany izany ? Dia tena handohalika eo anatrehan’ny tsindrihazolena sy ny tsy rariny ary ny kely tsy mba mamindro ve ny vahoaka ? Tsy misy adala eto, tsy adala ny valalabemandry fa matoa izy mandany ora sy fotoana, mandany vola mandeha mitolona, miaritra hain’andro, tsy kivy amin’ny dia an-tongotra, mahafoy asa aman-draharaha,… izay tsy mitaky tambiny afatsy ny fanovana sy fiovan’ny firenena, dia efa miomana fa na ho ela na ho haingana tsy maintsy ho resy ny setrasetra politika sy ny fianteherana amin’ny vola. Tsy mbola diso ny tantara, fa tsy mbola nisy nahatohitra herim-bahoaka izany. Samia ho ela velona hiaina ny tantara satria mbola betsaka ihany koa ny adidy ilain’ny firenena amintsika !
Toky R  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT