Edito

Hentitra ny baiko !


  • Alarobia 21 Septambra 2011

Mampanahy ny ho tohin’ny raharaha politika eto Madagasikara.

 Tsy mbola niova mihitsy ny fomba fisainan’ny FAT, ary dia mbola manohy ny fomba fanaony ihany i Andry Rajoelina sy ny ekipany. Milaza fa manaiky ilay sori-dalana natao sonia kanefa mandrangaranga fisamborana sy fanagadrana. Dia izany ve no hiteraka fitoniana eto ? Htao haingon-taratasy fotsiny izany ilay fampihavanam-pirenena ? Efa voasoratra mazava izao fa afaka mody tsy misy fepetra eto Atoa Marc Ravalomanana. Dia mbola avoaka ihany ny NOTAM, netsehana ihany koa ny didy fampisamborana. Ilay fahatongavan’ity filoha teo aloha ity eto Madagasikara tokoa ve no hiteraka korontana, sa ireo fepetra sadasada raisin’ny FAT hanakanana ny fiverenany ? Afaka maka sary an-tsaina ny zavatra mety hitranga isika. Migadona eny Ivato ingahy Ravalomanana sy ny fianakaviany, 200 000 ireo olona niandry azy tamin’ny 19 febroary lasa teo, mety mbola avo folo heny an’io ny amin’ny manaraka raha ny vinavinan-dry zareo eny amin’ny Magro, ka tena ho sahy hisambotra marina ve ny mpitandro ny filaminana ka hampihatra ilay didy navoakan’ny fitsarana ? Efa mba nieritreritra ny hatezeran’ny vahoaka amin’izany ve ireo tompon’andraikitry ny filaminana, sa ilay korontana sy savorovoro mihitsy no tanjona dia amin’izay mora ny misambotra izay rehetra tsy mitovy hevitra amin’ny tena ? Raha ny fandrenesana ny nambarany anefa dia tena vonona Atoa Marc Ravalomanana ary tsy matahotra fisamborana, ireo mpomba azy manerana ny Nosy koa dia efa roa taona sy tapany no niandry ka tsy hihemotra intsony. Dia hisy raha hitranga izany eto raha toa ka mikiribiby hisambotra an’i Dada izany ny FAT, ary izay vao tena hikorontana ity Madagasikara ity.

Antenaina anefa fa mbola hiova hevitra ny FAT ka tsy hanaotao foana amin’ity resaka fisamborana ity satria fitoniana sy filaminana no katsahana eto fa tsy gidragidra. Avela hiditra malalaka eto ireo rehetra nanao sesitany ny tenany, atao aloha izay hampandeha ny tetezamita, ary rehefa tafajoro ny Repoblika vaovao, misy filoham-pirenena lanim-bahoaka tamin’ny fifidianana demokratika, dia afaka manao ny asany ny fitsarana ary mampihatra ny lalàna. Efa fahita any am-pitandranomasina izany, tahaka ny any Italia, ao anatina raharaham-pitsarana izao ny praiminisitra am-perinasa Silvio Berlusconi, tany Etazonia ihany koa dia teo am-perinasa no nohenoin’ny fitsarana ny filoha Bill Clinton. Tsy hita mihitsy izay antony tsy hampiharana izany eto Madagasikara. Ireo mpandinika ny fiainam-pirenena sy ny raharaha politika dia milaza fa milamina kokoa i Madagasikara raha avela miditra eto Atoa Marc Ravalomanana satria sady mbola matanjaka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy no mbola mahatarika vahoaka maro.

Mora ho an’ny fanjakana Malagasy ihany koa ny manara-maso ny zavatra ataony raha eto an-toerana izy. Koa mahagaga ny antony mbola mampiziriziry ny FAT hisakana ny fodiany eto. Sa ve izay no baiko azon-dRajoelina avy any ambadimbadika any ? Efa re siosio hatramin’ny 2009 ihany mantsy fa ny Frantsay sy ireo mpandraharaha nanohana an’i Andry Rajoelina dia nilaza mazava fa tsy mila an’i Marc Ravalomanana miverina eto intsony izy ireo. Tena hentitra ny baiko ary tsy azo iadian-kevitra. Mety ho noho izany ve no anton’ny famoahana NOTAM sy didy fampisamborana ?

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT