Edito

Hentitra i Jean Louis Robinson Fifamelana aloha no tena ilaintsika !


  • Talata 08 Jolay 2014

Ny firaisankina sy ny fifamelana eo amin’ny samy Malagasy ihany no vahaolana eto amin’ny firenena, hoy i Dr Jean Louis Robinson raha naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny izy

Tsy nisy izay tsy nanao hadisoana teto amin’ny firenena, hoy ity kandida tamin’ny fihodinana faharoan’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2013 ity na tany aloha be tany izany na amin’izao fotoana. Nosinganin’ity filohan’ny antoko Avana ity manokana ny fitondrana tetezamita izay nambarany fa tsy nahitana vokatra akory tamin’ny fitantanana ny firenena ary fantatry ny vahoaka tsara izany. Ilaina, hoy izy ny fifamelana, ny firaisankina ary ny fiaraha-miasa ho fampandrosoana ny firenena. Izany anefa dia tsara raha atao amin’ny alalan’ny resaka tsy misy korontana na ady politika na ra latsaka. Mikasika ny fandravana governemanta izay takian’ny sasany dia nambaran’i Dr Jean Louis fa ny fanampiana ity governemanta ity mba hiasa tsara aza no tokony hatao ho fitsinjovana ny vahoaka madinika. Tsy midika izany, hoy izy fa nivadika ny antoko Avana. Amin’izy ireo dia ny fahoriana sy ny fahantrana no tokony hotoherina fa tsy ny fitondrana mijoro.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT