vahoaka Malagasy ny fahitana mpitondra lohalaharana
amin’ny kirendrarendra, kifetifety, havanana amin’ny kabary ambony latabatra nefa manjavona rehefa misy voina, fahoriana, na fanontaniana manitikitika ny fiainana andavanandron’ny olom-pirenena. Miharihary ny elanelana lalina eo amin’ny fitondrana sy ny vahoaka. Ny fandaniam-bola tsy misy mangarahara dia lasa endrika mahazatra amin’ny fitantanana. Tetikasa kirendrarendra, fanamboarana makety, famafazana vola amin’ny zavatra tsy mamokatra sy tsy miteraka harena no misongadina, nefa tsy misy tatitra mazava momba ny tetibola, ny fifanarahana, na ny fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny vahoaka. Raha misy toe-javatra manahirana dia fanadiovan-tena sy fanamarinan-tena no valiny, fa fady izany hiaiky heloka izany. Manjavona sy vitavita ho azy ny afera maloto avo lenta. Ny fahoriam-bahoaka, toy ny loza voajanahary, fahafatesan’olobe, na hetsika ara-tsosialy, dia tsy dia ahitana fisehoan’ny mpitondra ambony. Mihasarotra ny fiainam-pirenena, tsy tena misy tsirim-panantenana, fa filalaovana saim-bahoaka, fanaovana serasera, no manjaka. Matetika midofotra sy mamato-tena hatrany anefa manoloana ireo zava-misy, tsy misy fahaizana mandinika tena, tsy misy finiavana hanitsy na hihaino. Fitondrana tsy vonona hiova, fa mifikitra amin’ny endrika ivelany sy fanehoana fahefana. Ny vahoaka anefa tsy mitaky fety, fa mitaky fahamarinana, fanajana, ary fitondrana miasa ho azy amin’ny fotoana ilaina. Henoy izany ry hazon-damosiko !?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.