Henoy izany ry hazon-damosiko !?

Tsy misy mahagaga intsony amin’ny


  • Alarobia 03 Septambra 2025

vahoaka Malagasy ny fahitana mpitondra lohalaharana

amin’ny kirendrarendra, kifetifety, havanana amin’ny kabary ambony latabatra nefa manjavona rehefa misy voina, fahoriana, na fanontaniana manitikitika ny fiainana andavanandron’ny olom-pirenena. Miharihary ny elanelana lalina eo amin’ny fitondrana sy ny vahoaka. Ny fandaniam-bola tsy misy mangarahara dia lasa endrika mahazatra amin’ny fitantanana. Tetikasa kirendrarendra, fanamboarana makety, famafazana vola amin’ny zavatra tsy mamokatra sy tsy miteraka harena no misongadina, nefa tsy misy tatitra mazava momba ny tetibola, ny fifanarahana, na ny fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny vahoaka. Raha misy toe-javatra manahirana dia fanadiovan-tena sy fanamarinan-tena no valiny, fa fady izany hiaiky heloka izany. Manjavona sy vitavita ho azy ny afera maloto avo lenta. Ny fahoriam-bahoaka, toy ny loza voajanahary, fahafatesan’olobe, na hetsika ara-tsosialy, dia tsy dia ahitana fisehoan’ny mpitondra ambony. Mihasarotra ny fiainam-pirenena, tsy tena misy tsirim-panantenana, fa filalaovana saim-bahoaka, fanaovana serasera, no manjaka. Matetika midofotra sy mamato-tena hatrany anefa manoloana ireo zava-misy, tsy misy fahaizana mandinika tena, tsy misy finiavana hanitsy na hihaino. Fitondrana tsy vonona hiova, fa mifikitra amin’ny endrika ivelany sy fanehoana fahefana. Ny vahoaka anefa tsy mitaky fety, fa mitaky fahamarinana, fanajana, ary fitondrana miasa ho azy amin’ny fotoana ilaina. Henoy izany ry hazon-damosiko !?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT