Edito

Henoy izany rahazon-damosina


  • Zoma 12 Martsa 2010

Tapaka nandritry ny filankevitry ny Minisitra notarihin’i Andry Rajoelina tao Ambohitsorohitra omaly tolakandro ny lalàna mifehy ny fifidianana, ary dia navoaka ny didy hitsivolana 003-2010 mamariparitra izany.

Nankatoavina ihany koa ny didim-panjakana manangana ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI. Anisan’ny lahadinika tao koa ny amin’ireo fitakiana samihafa, indrindra ny an’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny amin’ny tetikasa hananganana toerana fialamboly eny Antsonjombe. Raha fampanantenan’i Andry Rajoelina tamin’izy kandida hofidina Ben’ny tanànan’Antananarivo ireto farany, dia natao amboletra indray ny famoahana ireo didy samihafa mahakasika ny fifidianana. Atrikasa in-telo miantoana natao tao amin’ny Centre de Conférence International Ivato no nikotrehan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ny lalam-pifidianana sy ny fananganana ny CENI. Novolavolainy samirery tao, dia nodinihin’izy irery tao ary nankatoavin’izy samy izy nandritra ny atrikasa Teny Ifampierana teny Ivato farany teo.

Ny fifanarahana politika nasaina nosoniavin’ny mpizaika teny Ivato dia milaza fa hatao ny fikaonandoham-pirenena handinihana ny lalam-pifidianana, ny satan’ireo filoham-pirenena teo aloha, ny CENI, ny famontsoran-keloka. Herinandro aty aoriana, akory ny hagagana, nivoaka ny didy hitsivolana mamaritra ny lalam-pifidianana. Narahina doka, fa voaresaka ao ny hampiasana bileta tokana, ny tsy hampiasana intsony ny «ordonnance» amin’ny latsa-bato, ny tsy fanaovana fifidianana amin’ny andro fahavaratra. Ny ankamaroan’ny mpandray anjara tamin’ny atrikasa teny Ivato, eny fa na ireo nanao sonia ny fifanarahana, aza dia niray feo fa tsy Teny Ifampierana araka ny nambara no zava-nitranga teny Ivato. Nivoaka ihany anefa ny didim-panjakana manangana ny CENI. Narahina fanazavana fa io rafitra io no hanomana, hitantana ary hanara-maso ny fifidianana rehetra hatao. Ho an’ny mpanara-maso dia nanao amboletra indray ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. Betsaka ny fanakianana amin’ny fomba fitantanana ny raharaham-pirenena, eny fa na avy ao anatiny aza, fa henoy izay rahazon-damosina.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT