Edito

Henoina indray aloha


  • Alarobia 30 Desambra 2020

Mifarana ity ilay taonan’ny tsy fahombiazana, araka ny fiheveran’ny maro azy.

 

 

Averina ilay fanamarihana hoe tsy ny Malagasy irery fa izao tontolo izao no niaina iny fahamehana ara-pahasalamana nahatsiravina sy nankalazaina indrindra hatramin’izay nisiana tranga toy izany teto ambonin’ny tany iny. Ho antsika Malagasy manokana moa dia iaraha-mahalala ny fehin’ireo kabary rehetra nataon’ireo mpitondra fanjakana ankehitriny. Tsy nisy nanampo iny valanaretina iny izao tontolo izao, hany ka voasembatsembana ireo ezaka natao. Fanampiny tsy azo nohadinoina koa ilay hoe “niezaka ny fitondrana na dia teo aza izany”. Henoina indray aloha izay ho ambaran’Andriamatoa filoha ho firariantsoa ho an’ny mpiray tanindrazana amin’io taona hoavy io. Mbola handany andro hanome tsiny ireo fitondrana teo aloha sy ny natiora ve? Mbola hitompo teny fantatra ho mizotra amin’ny lalana tokony ho izy ve? Mbola hilaza ho lasibatry ny fingampingana samihafa avy amin’ny mpanohitra ve na dia efa kely aza sisa dia ho volomboasary avokoa ny mameno ny tanana manomboka eny amin’ny lapa maitso ka hatreny Iavoloha? Fotoana fandinihan-tena izao ho an’ny tsirairay ary fanaovana tombana mikasika ny nety sy tsy nety natao tao anatin’izao taona hifarana tsy ho ela izao. Raha mbola hanao mody tsy ahita ny fidangan’ny vidim-piainana, ny fisian’ny fako misavovona, ny fanolanana miavosa, ny vahoaka miha tsy mahafehy ny tenany ka mora mitroatra noho ny fahantrana sy tsy fandriampahalemana mihoapampana, ny fivadibadian-kevitra isaky ny mihetsika manoloana fanapahan-kevitra goavana iankinan’ny aim-pirenena sy ny hafa maro eto foana ny mpitondra dia sarotra ny tsy hanahy ny hoavy satria dia mbola ny heverin’izy ireo ho ny fivoarana mamiratra ivelany tsy mipaka anaty vilany sy tsy miteha-tany hita hatreto ihany aloha izany no mbola hofahanana antsika mianakavy amin’ny taona hoavy.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT