Henatra sy alahelo

Henatra sy alahelo ankehitriny no mameno ity firenena


  • Alakamisy 28 Desambra 2023

ity raha manjoy ireo tranga samihafa niseho tato anatin’izao herinandro latsaka

kelin’ny vanim-potoanan’ny fetin’ny Krismasy sy taom-baovao izao. Hatramin’ny sakafo efa ho masaka any am-bilanin’olona no misy mangalatra. Fety tamin’io ny andro. Resaka 20.000 Ariary no nidirana raim-pianakaviana iray tany am-ponja. Fisolokiana politika ara-bakiteny indray teo no resaka satria dia hoe nisoloky ho iraka avy ao amina foibena antoko politika iray ilay mpiray tanindrazana. Iny indray omaly fa niparitaka ny hoe nanjavona koa ilay rafitra fampitomboam-bola toy ireo hafa efa namitaka ny maro teo aloha kanefa dia mbola nisy voajonony ihany. Inona moa no azo amintinana azy ankoatran’ny hoe mariky ny fahantrana lalina izany rehetra izany? Manampy trotraka etsy ankilany ny fiaraha-mionona amin’ny fako mitondraka tsy misy mpitondra mivaky loha aminy. Ny olompirenena koa moa saika maneho fihetsika tsy maka lagy rahateo, araka ilay fitenin’ny tanora azy. Manao ny ataony ireo mpandraharaha eo amin’ny lafiny fifandraisan-davitra fa dia 5 taona mahery izao no notazanim-potsiny. Mandeha ny fihetsiketsehana tsindraindray maneho fa misy ny fanadihadiana eny anivon’ny parlemanta eny saingy ny vokatra aloha hatreto dia vao mainka mampikaikaika ny maro ny fanararaotan’izy ireo, mba tsy hilazana mihitsy hoe fanambakana. Henatra sy alahelo sisa! Henatra sy alahelo saingy toa mbola maro ireo tamana? Miandry fety ho vita tokoa angamba vao hifoha, hoy ireo herivelona politika eto amin’ny… tanàna!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT