Henatra fa tsy voninahitra !

Matetika mampametra-panontaniana foana


  • Talata 19 Desambra 2023

ilay fomba fiasa sy firesaky ny mpitondro momba ny fitantanana sy fiatrehana ny olana

mianjady amin’ny firenena sy ny vahoaka hoe : fomba fijery sy làlan-tsaina ary politika inona loatra re ity e !? Any amin’ny tsy mivonto no manaintaina, hoy ny fitenin’ny tanora, ary toa tsy dia mifanalavitra amin’izay ilay fomba fiasa. Inona moa izao no tena marary amin’ny vahoaka ? Inona no tena tadiaviny ? Tsy fananan’asa, fitotonganan’ny fidiram-bola sy ny fihariana, fidangan’ny vidim-piainana, tsy fandriampahalemana, delestazy, tsy fisian-drano,… Ilaina ny jiro izay toa iniana hatao izay hitangoronan’ny olona eny amin’ny talaky maso fa moa tena ireny no maika sy tadiavin’ny olona ? Ny toe-draharaha miharatsy ihany, raha tsy hilaza afatsy ny sandam-bola mitotongana izay tsy izy ka efa nihoatra ny 5000Ar ny sandan’ny 1euro ; ny filaharana eo amin’ny fanovana ara-toekarena any amin’ny laharana faha-3 alohan’ny farany no misy an’i Madagasikara, ny hanohanana moa dia alohan’ny farany no misy antsika,… Aiza sy inona izany no vokatr’ilay filazana fa tompondakan’ny indostria isika, izay noventesina sy nanaovana serasera manaka-danitra ? Aiza ilay isika tompondakan’ny fanjarian-tsakafo kanefa mitana ny rambony amin’ny hanohanana ? Tsy finiavana hitanisa ny zavatra miiba fa tena resy ilay firenena, resy amin’ny lafiny rehetra,… Tsy azo hireharehana na eto an-toerana na eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny fahazoana fahefana hitondra ao anatin’ny 5 taona indray, tsy fandresen’ny vahoaka maro an’isa, tsy fandresen’izay mety nandrotsa-bato ho an’ilay kandida, tsy fandresen’ilay kandida sy ny antokony,… fa zary latsa sy henatra, ary fahafaham-baraka sy fanaovana takalon’aina ho an’ny firenena, raha izao no vokatry ny fitantanana kanefa mbola atao ady sisika sy amboletra ny fitazonana ilay fahefana. Sanatrian’ny vava tahaka ny vorona azon’adala i Madagasikara ka raha tsy maty mifoifoy volo ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT