Edito

Hazo avo halan-drivotra !


  • Zoma 28 Jolay 2017

Tanteraka tokoa ny fomba fiteny hoe ny hazo avo halan-drivotra, ary misongadina izany eo amin’ny tontolo politika, raha dinihina ny fanenjehana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

Rehefa hita fa matanjaka sy mety hahazaka olona, dia tsy maintsy finganina sy hanaovana antsojay. Mifamingana sy mifanipaka toy ny valala an-karona isika rehefa mahita fahombiazan’ny hafa satria jamban’ny fialonana sy ory hava-manana, ka tsy misaina afa-tsy ny hamotika sy hanetry izay mba misandratra. Vatra ny mandany andro sy fotoana hoenti-mikajy izay fomba hoenti-manadaraboka ny olona iray hita fa mety hahavita zavatra, fa tsy mba manam-potoana handinihana ny fomba hoenti-misaina hoe ahoana ny fomba hahafahana mahavita zavatra tsara kokoa noho iny ? Saika izany hatrany no miseho eny anivon’ny fiarahamonina eny, ka tsy atao mahagaga raha tsy mivoatra isika satria tsy mba misaina ny hioitra sy manao fifaninanana masina, fa toa nateraka hifandrafy sy hifamotika lava eto. Zary mifanome leson-dratsy, ka maniry manitra toy ny alika miambozo-koditra sisa mahita ny fahombiazan’ny hafa.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT