Herintaona izay no lasa, mbola mitoetra ny krizy. Miziriziry amin’ny heviny ny ankolafy Rajoelina ary vonona ny hizaka izay sazy rehetra ho avy eo, hono.
Izany tokoa angaha ilay hoe Tetezamita Gasy Vonona. Etsy an-kilan’izay, tsy manaiky lembenana ihany koa na dia efa nenjehana sy notifirina ary nosemporina tamin’ny baomba… mandatsa-dranomaso aza ireo mitaky ny fampiharana ny satan’i Maputo. Lasa hirahiran’ireo ankolafy telo isan’andro ny hoe fandrombaham-pahefana no nisy teto, ilaina ny fifampiresahana, ary ny satan’i Maputo no fototra iaingan’ny fananganana ilay tetezamita iaraha-mitantana. Tsy hanaiky ny tsy rariny sy ny gaboraraka hatramin’ny farany izy ireo, ary resy lahatra fa kely sisa dia ho vita ny tolona, ka misy sahady ireo efa manomana fety sy lanonana ho fankalazana izany. Manoloana izany koa anefa dia manana ny fomba fijeriny ny manampahefana sy ny tariny ka manao teny feno eso sy hanihany hoe : tsy misy mampatahotra io, satria ny ankolafy mitombo, saingy ny isan’ny olona mihena. Ao aza no efa mieboebo ary sahy miteny, fa vela-pandrika ho an’ny zanak’i Dada daholo, anie no nitranga hatrizay e ! Mbola maro ny mpamadika tsy miseho masoandro.
Eo amin’ilay resaka sazy indray dia tsy tena mazava amin’ny olona, hanova inona marina moa izy io ? Voasazy ary namoahana didy fampisamborana mantsy, ohatra, ny filohan’i Soudan, Mouamar El’Bechir efa ho roa taona lasa izao, noho ny zava-nitranga tany Darfour ; saingy mbola afaka nitsidika firenena arabo maromaro izy, no sady nanatrika fivoriana iraisam-pirenena, ary tsy mbola voasambotra hatramin’izao. Ka sao dia ho tahaka izany koa ary, no hitranga eto amintsika ! Hita ho mahatoky tena tokoa mantsy ny HAT ka mahalasa eritreritra ny maro ihany. Efa fantatra rahateo fa misy firenena matanjaka manampy izao fitondrana tetezamita izao ; ka ahoana ihany ary izy ‘ty e ? Inona no tena vahaolana ary iza no mahita io vahaolana io, mbola tompon’ny teny farany amin’ny fitantanana ny fireneny ve ny Malagasy sa manara-driandrano fotsiny ny hevitr’ireo firenen-dehibe ?
Mahatsapa ny maro fa tsy rariny ny zava-misy amin’izao fotoana, kanefa samy tsy te hisahirana intsony fa mikaroka izay hamelomana ny fianakaviana, sy hitsinjovana ny vodiandro ho merika, sao mbola miverina indray sanatria ireny fandrobana sy savorovoro ireny, ka izay vao tsy hisy hatokona eo. Fantatry ny manampahefana izany, ka mety ho izay koa no tsy mahataitra azy, efa resy lahatra izy ireo, fa tsy hisy hitokona hilahatra eny Ambohitsorohotra na Mahazoarivo izany intsony, satria tia filaminana sy manara-dalàna fa tsy mba mihoa-pefy ny vahoakan’ireo ankolafy telo sy ny mpanara-dia azy ireo. Hazakazaka lavitr’ezaka mila lazon’ady tena henjana araka izany no ezahan’ny HAT atao eto, ka mitsoaka an-daharana fotsiny izay tsy maharaka, fa io indray dia tsy hisy fiaraha-mitantana izany, fa izay tompon’ny hery ihany aloha … no tompon’ny fahefana !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.