Edito

Hazakazaka arahin-tosika


  • Alatsinainy 16 Mey 2022

Ireny sary hita namarana ny herinandro ireny fotsiny izany dia efa azo hibangoina ny lalan-kizoran’ireo mpanao politika rehetra manomboka eto hatramin’ny taona 2023.

Hazakazaka arahin-tosika no mitranga. Inona moa ny atao hoe azakazaka arahin-tosika ? Maro amintsika no diso hevitra ka mihevitra izany fomba fiteny izany ho fifanohanana na fampirisihina ho any amin’ny fahombiazana. Ny tena marina anefa dia fifanosehana eo amin’ny mpifanandrina na ilay antsoin’ny tanora hoe gafy izany raha tsorina ny filazana azy. Samy miara-miazakazaka eo ihany ny mpifaninana fa misy mpifaninana voaelingelina sy misy mpanosika handavo azy amin’ny tany mba tsy handreseny ny mpifaninana hafa. Ekena fa efa misy na azo lazaina hoe mety ho maro mihitsy aza no leo izany fifanandrinana Ravalomanana-Rajoelina izay efa naharitra 13 taona izany, 15 taona raha raisina nanomboka ny taona 2007. Ny zava-misy anefa aloha dia mbola mibahana ny tontolo politika Malagasy ireo ary eo amin’ny tanjaka politika koa dia indrisy fa mbola ireo no vinavinain’ny mao hiatrika ny fiodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2023. Toy ny mahazatra, hoy izahay, raha iverenana hatrany ny tranga misy eo amin’ny hazakazaka sahady hahazoana izay lapan’Iavoloha izay indray. Ny iray sakanana amin’ny hetsika ataony, eny fa na ho any am-piangonana aza, toy izay nitranga omaly, ny iray kosa dia malalaka tsy misy sakantsakana amin’ny alehany rehetra eto amin’ity Madagasikara ity. Enga anie mba tsy sanatria ho ratsy ny tohiny,
J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT