Edito

Hazakazaka arahin-tosika


  • Alarobia 27 Jona 2018

Tsy mbola foana hatreto ny fiheverana sy fanantenana fa taom-pifidianana ity 2018 ity, raha ny kabarin’ny filoham-pirenena omaly.


 Niantso fitoniana rahateo izy ny amin’ny mba hahatanteraka ireo dingana rehetra mialoha sy mandritra ary aorian’izany. Tsy mbola misy afaka hanamarina ihany koa fa tsy ho kandida izy na koa hoe tsy hanana kandida amin’io hazakazaka hahazoana an’Iavoloha io satria dia mbola noventensina indray omaly ny fisandratana 2030. Kabary izao ka kabary ! Nomena daholo ity karazana fehezanteny rehetra hahafahan’ireo mpanotrona maminavina ny famaritana ny atao hoe fahaleovantena ity saingy tsy nety tafavoaka teo am-bavany ary azo antoka fa sarotra ho an’ireo nanatrika ity lanonana hoe “fanamarihana ny fiverenan’ny fahaleovantena” ihany koa ny nandray azy. Indrindra moa fa rehefa nivoaka izay ilay fehezanteny manirikiry ny tonga saina sy mivaona amin’io teny hoe fahaleovantena io dia ilay hoe “efa tonga ny famatsiam-bola.” Mahaleotena izany isika fa mila mpamatsy izay azo antoka ihany koa fa avy any Dilambato ihany ny ankamaroany. Tsy ny fitoniana ihany moa no nangatahan’ny filoha hapetraka isam-bahoaka tamin’iny 26 jona 2018 iny fa sahiko koa ny miantso ny Malagasy hoe sahia, hoy izy izay. Raha fintinina ny voalaza dia hoe sahia miara-mampandroso. Tena hazakazaka iarahan’ny Malagasy rehetra hahatongavana amin’izany tokoa ve no tanjon’ity filohantsika ity sa hazakazaka arahin-tosika hanilihana ny hafa tsy handimby ny toerany ? Raha tena fandrosoana ve tsy efa nahatsapany tena fa sakana izy raha tsy nahatsangana ny fitsarana avo ara-potoana na koa tsy nahavaha ny delestazy sy ny olan’ny solika hatramin’izao ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT