Hay ve ka azo hamoriam-bahoaka indray ny faritra mena e ! Izay no resabe tetsy sy teroa hatry ny omaly manoloana ny hetsika teny Ambohitsorohitra ho fahatsiarovana ny 7 febroary 2009.
Lohalaharana nitarika ny olona tamin’izany ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, izay anisan’ny nampirisika ny olona hananika lapa tamin’io sabotsy 7 febroary 2009 io, fa hoe hametraka ny praiminisitra Monja Roindefo, hono. Ny olona no notsofiny rano ho eny, fa izy kosa namonjy fodiana teny Ambatobe. Hay ve sady afaka mametraka fitoniana sy manao fiaraha-mitantana ihany, kanefa manao kabary tena miendrika fihantsiana sy fandrahonana ny hafa e ! Hay ve efa fomba fiasa vaovaon’ny mpitandro ny filaminana indray izao ny misava tranon’olona amin’ny andro alina, no sady tsy mampilaza intsony ny lehiben’ny manampahefana any an-toerana e !
Hay ve mety izany ny mananika lapam-panjakana, dia manangana fikambanana, dia avy eo mahazo vola 200 000 ariary isam-bolana e ! Hay ve tsy nisy ra Malagasy latsaka izany mihitsy nandritra ny fitondran’ny FAT fa ny teo aloha ihany no namono olona e ! Hay ve nahatadidy ny 10 aogositra 1991 i Andry Rajoelina, saingy nanadino kosa ny 26 janoary 2009, nahafatesana Malagasy maro lavitra noho ny tamin’ny 7 febroary tamin’io taona io ihany e ! Izy tenany mihitsy ny 27 janoary 2009 no nilaza fa tsy maintsy hita ny marina tamin’iny fandrobana iny, ary tsy maintsy hotohanana sy hampiana ireo tompona magazay voaroba sy very fananana ! Aiza ho aiza izany fanampiana izany izao, kanefa efa ho telo taona no nitantana ny firenena Atoa Rajoelina. Fa dia tena nijanona teo amin’io datin’ny 7 febroary 2009 io ve izany ny famantaran’ora sy ny fitadidian’ny FAT, fa ny ankoatra izay dia tahaka ny tsy nisy, dia tsy mahalala olona henjehina afa tsy i Marc Ravalomanana izy ireo, ary tsy te hahalala afa-tsy ilay fitsarana politika tamin’ny 2009, raha vao miresaka an’iny 7 febroary iny.
Mazava tsara anefa ny tenin’ny filohan’ny Sendikan’ny mpitsara, fa nisy mihitsy hatramin’izay ny tsindry bokotra avy any amin’ny mpitondra ambony amin’ny resaka fitsarana eto Madagasikara, koa moa va : sahy miteny ny FAT fa tena tsy nisy teny midina avy any ambony mihitsy natao tamin’ny fanaovana ny fanadihadiana sy ny fitsarana ary ny famoahana ny didy momba ny raharaha 7 febroary 2009 niampangana an’i Marc Ravalomanana. Ary nahoana koa moa no tsy sahy manolo ny minisitry ny fitsarana mihitsy i Andry Rajoelina, na dia efa maro be aza no mangataka izany, eny fa hatramin’ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny filohan’ny tetezamita. Sa kosa tena mitombina ilay resaka any ambadika milaza fa raha miala i Christine dia miala koa i Andry ? Asa ihany koa na tsy tadidy tsara ny tsianjery na efa zatra manao boloky loatra fa dia maro tamin’ireo olona naneho hevitra ary manohana an’i Andry Rajoelina no niteny fa fety no natao omaly. Hay ve fety ilay izy fa tsy fahatsiarovana e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.