Edito

Havanana amin’ny ratsy !


  • Alarobia 07 Martsa 2018

Tompondakan’ny gafy sy ny tsy fahombiazana ny fanjakana HVM, fa faran’ny gisitra kosa raha famahana olam-bahoaka. Midangana ny vidim-piainana, miakatra ny vidin-jiro, solika, vary,…

saingy adino ireny. Haingam-piasa sy tsy hatoro voanjo hadiana kosa raha resaka famotehana sy fisomparana ny hafa, eny fa hatramin’ny biby tsy manan-tsiny avy no mitondra faisana, raha dinihina amin’ny raharaha Andranomanelatra io. Ny fitadiavam-bahaolana eo anatrehan’ny fahasahiranan’ny Malagasy kosa, dia miandry ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty angamba, raha ity fanjakana ity no hantenaina. Dia tsy mba misy olona tonga saina mihitsy ve ao, fa vao mainka hamotika ny fitondrana ny fananganan’ady sy antsojay amin’olona iray hita fa matanjaka ara-politika sy manana ny herijika be indrindra handresy amin’ny fifidianana ? Toa mifamingana sy mifandoto lalandava ny samy mpitondra. Iza tokoa moa no mahita na misy efa tena voafahan-dalitra ao an-dapa ao, ka zary manaotao foana, hany ka mifanipy hoditr’akondro fotsiny. Olona sy orinasa iray no ezahina potehina sy gafiana andro aman’alina, ka tsy ao an-tsaina mihitsy ny hoe miantraika sy marary ny vahoaka an’aliny na ana hetsiny anie izany. Mankarary ny Malagasy anie ny hoe ny mpandraharaha mpiray tanindrazana aminy no potehina sy gafiana fa ny an’ny hafa andrianina sy havela hanaram-po amin’izay tiany hatao. Tsy mihevi-tena ho Malagasy intsony angamba, ary efa tsara fiomanana amin’ny fandaozana an’i Gasikara atsy ho atsy. Misy fetrany ny zava-drehetra e !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT