Edito

Hatsikana sisa tsy atao


  • Talata 04 Oktobra 2022

Isan’ny nampalaza izao fitondrana izao tao anatin’ny 4 taona ny voambolana frantsay hoe “scandale” na zava-mamoha henatra.

Teo moa ireny efa naverina matetika ireny toy ny “panier garnis”, “bonbon sucette”, “ecran plat”, volamena, mpitondra sy artista. Teo ihany koa anefa ireo zavatra nambaran’ny filoham-pirenena izay tao ny mazava be fa tsy mitombona sy mahalasa saina toy ny hoe “hamboly coton de Tulear” na koa haka “taranaka amin’ny omby vositra” sy “vary 2 taona dia miakatra”. Maheno izany rehetra izany ianao, amin’ny maha olompirenena sy mpanara-baovao, dia mametraka fanontaniana ao anaty heritreritra ao hoe handraiza izany ny tena fahaizan’ity filoham-pirenena ity mitondra firenena? Hatraiza ny tena fiomanany amin’izany? Manana mpanolontsaina ve ny filoham-pirenena? 4 taona aty aoriana mbola mipetraka hatrany izany fanontaniana rehetra izany. Iza daholo no manome torohevitra hoe ireny ambara? Nalaza koa tamina raharaha maro ny voambolana hoe sinema saingy eto dia mahalasa saina hoe angamba hatsikana sisa tsy atao. Hatsikana sisa tsy hita tao anatin’izao fitondrana izao. Ny zava-drehetra heverina ho azo jerena amina maso miabo avokoa raha toa ka mitondra ho any amina fandrosoana saingy izany ve izao no misy moa. Nanambara indray izao iny ny filoham-pirenena fa tsy hoe hitovy amin’ny any Etazonia no tanjona amin’i Toamasina raha atao hoe Miami fa ho tsara noho ny any aza. Izay ve izany izao no endriky ny ao Toamasina ao? Miray hina ary mifankatia indray hono no dikan’ny hoe Miami. Izany tokoa ve no nambara tamin’ny fampielezankevitra? Tena hitondra any amin’ny fampiraisana sy fifankatiavan’ny samy malagasy ve izao fomba fitondrana ny firenena ankehitriny izao ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT