Hatreo amin’ireo mpitondra ihany!

Lasa hatreo amin’ireo mpitondra ihany, indrindra,


  • Alatsinainy 04 Aogositra 2025

raha ny hita tato ho ato, aloha izany no atao hoe raharaham-pirenena

amin’izao fotoana izao. Hiaraha-mahatsiahy ny safidy mikasika ny toerantsika manoloana ny ady eo amin’i Rosia sy Okrainina nandraisan’ny minisitry ny raharaham-bahiny tamin’ny fotoan’andro anjara kanefa hoe tsy nierana. Nesorina tamin’ny toerany iny minisitra iny kinanjo avy eo dia natao kandidà hifaninana tamina toerana iraisampirenena aty Afrika indray. Teo koa ny raharaha volamena nahavoasaringotra ny minisitry ny fitsaràna teo aloha. Nesorina tamin’ny toerany koa io fa ankehitriny izy dia lasa solombavambahoaka soamantsara ary lany tamin’ny anaran’ny vondrona politikan’ny fitondràna. Toy izany koa ny mikasika ny raharaha fahitalavitra fisaka na «écran plat». Ny resaka kolikoly tao Royaume Unis tao kanefa dia mandeha koa ny feo ankehitriny fa tafaverina ao an-dapa indray ilay efa voafonja tany an-tanin’olona mikasika an’iny raharaha iny. Lazaina fa tsy mahazo mivoaka ny tanin’ny repoblikan’i Madagasikara amin’izao fotoana izao ilay minisitry ny fitaterana farany teo. Ny fanontaniana mipetraka nefa dia hoe mbola eto nefa ve io minisitra io sa tahaka ireo sasany nahazo izany teo alohany ka lasa vazivazy ny hoe «Isika samy tsy hita» no fanalavàna ity atao hoe IST ity fa tsy hoe «Interdiction de sortie du territoire» na fandraràna tsy hivoaka ny firenena? Misy mpanao politika sasany aza moa no efa naminavina hoe inona indray izany izao no ho toerana vaovao omena an’io minisitra nesorina io? Hatramin’ny resaka fanapoizinana sy fahapoizinana ara-tsakafo ity tsy mazava amin’ny mpanara-baovao mihitsy hoe fa maninona no tahaka ireny no fepetra noraisina mahakasika ireo heverina fa tombonandraikitra voalohany amin’ilay raharaha sa marina ihany ny ahiahy nifamezivezy tao anatin’izay andro maro izay hoe misy idiran’ny mpitondra sasany ilay izy? Fanontaniana nipetraka ny faran’ny herinandro teo moa ny hoe aiza ho aiza amin’ny filàna fototra amin’ny maha olombelona izany izao no mba sitrahan’ny vahoaka maro an’isa? Aiza ho aiza isika eo amin’ny fampanjariana ny lafiny ara-pahasalamàna, ny ara-tsakafo, ny fanabeazana? Iza no tsy mahalala fa samy marary na dia izany sehatra heverina ho fototra rehetra izany fotsiny aza nefa Madagasikara tsy maintsy mandroso no lazain’ilay fitondràna fa tanjona? Tsy mety tafahoatran’ny faribolan’ny samy mpitondra, araka izany, hatreto ny atao hoe raharaham-pirenena eto Madagasikara. Anjorom-bala tanteraka ny fampandrosoana ny vahoaka fa hatreo amin’ny mpitondra ihany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT