Hatramin’ny kilalaon-jaza

Volamena 73,5kg, Raharaha “Bonbon sucette”,


  • Talata 26 Desambra 2023

raharaha “Écran plat”, famatsiana manodidina ny 900 tapitrisa Euro tamin’ny COVID 19

sy ny maro hafa nanamarika ny fotoam-piasan’izao fitondrana izao ny taona 2018-2023 moa ireny efa samy mampametra-panontaniana daholo hoe nanao ahoana ihany no tena lalany? Nanao ahoana koa no niafarany? Manahirana izy ity! Ekena fa fety masina ny fetin’ny Krismasy izay vao natrehana omaly Alatsinainy saingy nialohan’izany fotoana lehibe indrindra eo amin’ny fiainam-panahin’ireo mpino Kristianina izany anefa dia nampanongo-tena ihany tamin’ity taona ity ny zava-niseho. Nanaitra ny alahelo sy fitarainana olompirenena iray izay nilaza fa mba nifofotra mafy ery nanangona fanomezana samihafa ho an’ireo mpiara-miasa aminy eto Madagasikara kanefa dia voaodina tao amin’ny ladoany tao. Mety azo atao hoe nisy akora sarobidy angamba isan’ireo fanomezana. Mety ho vola koa ary amin’ny maha fetin’ny noely azy moa dia hoe fankalazana ny mpamonjy saingy fetin’ny ankizy ihany koa. Azo inoana araka izany fa mety ho maro tamin’ireo fanomezana no kilalao ho an’ireo zanaky ny mpiasa na koa hoe natokana ho an’ny ankizy sy ny zaza. Izany hoe raha tsorina na dia maha menatra ihany aza ny miteny azy dia hatramin’ny kilalaon-jaza tao anatin’izao fankalazana ny fetin’ny noely izao no mbola nisy mpiasam-panjakana ambony sahy nanodina. Dia tsy mba afaka mba nanaja ny fahamasinan’ilay fety amin’ny maha fety masina azy ve na dia ho fihatsaram-belatsihy fotsina aza, hoy ny fomba fiteny izay? Aiza intsony izany sisa izao no toerana mba misy fandriampahalemana eto amin’ity firenena ity, raha hatramina singa toy izany aza tsy hahafahan’ny olompirenena hametrahana fitokisana intsony?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT