Edito

Hatraiza no heriny ?


  • Talata 29 Novambra 2022

Toa ifandovana eto amin’ity firenena ity ilay hoe: mahay manakiana sy manenjika ny hafa, mitanisa ny lesoka sy ny faharatsiany, fa lasa toa minia mikipy sy tsy mahita ny maso rehefa jamban’ny seza sy ny fahefana.

Ekena ary fanao amin’ny paikady politika ny manakiana sy mitanisa ny teboka miiban’ny hafa mba ho lasa teboka miabo ho an’ny tena. Tena zava-doza sy vao mainka famadihana ny firenena sy ny vahoaka anefa, raha lasa ratsy lavitra noho ny nataon’ny teo aloha no afitsoka. Mifankaiza amin’izany moa ny zava-misy ankehitriny? Tsy nahandry fifidianana tamin’ny 2009 fa nihazakazaka nanongam-panjakana, nampanantena izao abobo rehetra izao, kinanjo inona no teo? Nandroso sa nihemotra I Madagasikara? Nandeha indray ny 2018, natao maty henjika sy nohozongozonina hatramin’ny farany ilay mpitondra teo rehefa tsy nety natao saribakoly, lazaina fa tsy nanohy ny soa nataony ny vahoaka, nilanjana vatam-paty teny amin’ny kianjan’ny 13 mey,… 4 taona aty aoriana, manao ahoana ny fari-piainan’ny Malagasy sy ny toekareny raha refesina amin’ny vokatra nentin’ny andaniny sy ny ankilany? Rehefa zohiana, hay ny maka fahefana fa tena tsy kapoaka ilay mitantanana firenena. Mitombina tanteraka hatrany ilay hoe: ny mpanakorontana tsy mahay mandamina fa ny mpandamina mahay manakorontana. Hahomby mandrakariva ve ny don-tandroka mba hamoretana ny hafa hanaiky? Mbola miomana handrangaranga hery hanao amboletra hitazona ilay fahefana sa manomboka mena ambanin’ny mena. Tsy tongatonga ho azy ny fidirana an-tsehatry ny Vondrona iraisam-pirenena amin’ny endriny maro io, ka ny ampitso no hitsara hoe: misy fetrany ihany io fa tsy misy ny mandrakizay! Raha tsy hahay haka lesona amin’izao ihany koa ny rehetra mety efa zavatra hafa mihitsy. Ny mpamotika firenena efa iaraha-mahita fa izay no fombany fa ny tena famotehana ny firenena dia ny fitazanam-potsiny sy famelana ny mpamotika hanohy ny hatrany ny efa tsy mety ataony.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT